Tanora 569 ao amin’ny ivontoeram-pampianarana ambony tsy miankina Iscam no notolorana ny diplaoma manamarika ny nahazoany ny mari-pahaizana Licence sy Master tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny CCI Ivato. “Iriavo”, maniry ny tena lafatra, no nosafidian’izy ireo ho anarana hisalorana satria hitondra ny fahaiza-manaony ho an’ny tontolon’ny asa eto amintsika izy […]
Taratra
Bakalorea 2023: Tsy mahasarika ny mpiadina ny sokajy C
Hotontosaina ny 17 jolay ka hatramin’ny 21 jolay ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Hitohy ny 24 jolay ka hatramin’ny 27 jolay kosa ny andiany faharoa ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika. «Nitombo 12,05% ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea 2023 raha mitaha […]
TARATRY ny KANTO
Hisehatra indray, anio, ny Tropy Jeannette. Mbola ilay tantara “HM” ihany no hasehon’izy ireo etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Piesy klasika nosoratan-dRakoto de Mon Plaisir, ravahan’ny hiran’Andrianary Ratianarivo izy ity. Seho natao ho an’ireo mpianatra, izay hiangaviana hitondra ny karatra famantarana. Hifidy ny filohany ny Zanadranavalona. […]
« Cinéma » malagasy : miha matihanina ny mpamokatra sarimihetsika
Tontosa, omaly, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny sarimihetsika « Lav’alina », novokarin’ny trano mpamokatra Manjaka Sary. Olo-manan-kaja sy matihanina eo amin’ny sarimihetsika no nanatrika izany lanonana izany. Ny rafi-tantarany sy ny kalitao teknikany no mampiavaka ity sarimihetsika ity ka nahavoafidy azy ho anisan’ny sarimihetsika nandeha […]
« Evasion danse II » : taninketsan’ny dihy i Madagasikara
Hifarana ny « Festival international de danse de création » nampitondraina ny anarana « Evasion danse » andiany faharoa. Tao anatin’ny herinandro, na ireo mpikarakara na ireo nandray anjara, indrindra fa ny mpanatrika, samy nilaza ny halehibeazan’ny hetsika tahaka itony. Tsikaritry ny rehetra fa « taninketsan’ny dihy i Madagasikara ». Manana mpandihy tanora itoeran’ny talenta ny Malagasy. Mpandihy […]




