Taratra

Basikety – JIOI 2023 : hanofana ny Malagasy mpilalao i Naoufal Uariachi

Samy manao izay ho afany ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ny federasiona tsirairay, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny taranja basikety. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Ramaroson Jean Mi­chel fa hiezaka ny hanome vokatra tsara araka izay azo atao ny taranja basikety. “Manoman-tena amin’ny fahafahan’ny FMBB ny ekipa nasionaly ka araka […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanohy ny fampiharana ny hetsika “Saemaul Undong” i Madagasikara. Hatomboka eny amin’ireo tanàna vaovao hanaovana ny tetikasa ‘titre vert” izany. Mifototra amin’ny hevi-dehibe telo ny “saemaul undong”, ny ezaka iraisana ho amin’ny fanovana ny toe-tsaina, ho amin’ny fahaleovantena na fiatrehana irery ary ny fiaraha-miasa ka ahafahana mampivoatra koa ireo fiarahamonina […]

Taninketsa indostrialy : hamelon’aina ny toekaren’ny faritra Atsinanana

Hanova ny fiainan’ireo mponina ao amin’ny distri­kan’i Vatomandry sy Bri­cka­ville ny taninketsa indostrialy napetraka any an-toerana. Ny alakamisy teo, nandray ny milina fanamboarana gilasy fitehirizana sakafo ny tao Vato­­man­dry. Mivelona amin’ny jono ny ankamaroan’ny mponina noho ity toerana ity misy ranomasina sy ranomamy. “Mahatratra 3 taonina isan’andro ny gilasy vitan’ity […]

Lalana : hanamboatra tetezana lava indrindra

Nisy filankevitry ny minisitra manokana miompana amin’ny fanamboaran-dalana, natao omaly 7 jolay. Anisan’ny nisongadina ny hanamboarana tetezana lava indrindra eto Madagasikara eo ambonin’ny reniranon’i Mangoky. Hanao ny asa ny orinasa CRBC. Efa madiva hifarana ary hotokanana tsy ho ela ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), mampitohy ny faritra Atsimo Andrefana sy […]

Seha-pihariana ronono: tsy maharaka ny famatsiana ny mpiompy

Mitombo ny mpanjifa ronono eto amintsika. Misedra olana anefa ny mpiompy ombivavy beronono, satria midangana ny vidin-katsaka, akora fototra amin’ny provandy. Manampy trotraka koa ny delestazy, mampitombo ny masonkarena. Miroborobo ny seha-pihariana ronono. Nila­za ny tomponandraikitra voalohan’ny orinasa 3ème Mi-Temps, Razafindrainibe Mbolatiana, fa tsy maharaka ny famatsiana ronono, ankehitriny. Mahatratra […]