Mizaka ny vokatry ny tsy fahazoana rano fisotra madio sy ny fisitrahana rano eo anivon’ny tokantranony ny vehivavy sy ny ankizivavy, araka ny tatitry ny fanadihadiana navoakan’ny Unicef sy ny OMS, mikasika ny zava-misy, nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2020. Tsy afaka mandeha any an-dakilasy ny ankizivavy fa lasa […]
Taratra
Tsenan’ny Esplanade Analakely: hatao box mitovy ny hivarotan’ny mpivarotra
Nihaona tamin’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Ireo mpivarotra etsy amin’ny Esplanade Analakely sy ny manodidina no nidinika tamin’izany. Niompana tamin’ny tetikasa fandaminana sy fanatsarana ny tsenan’ny Esplanade Analakely ny resaky ny roa tonta. Hatao box mitovy avokoa ny tsena rehetra ao anatiny, […]
Toetry ny andro: hahery ny onja ao Morondava
Noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy dia misy ny filazana fampitandremana nataon’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Filazana fampitandremana miloko mena, eo anelanelan’i Morondava sy Taolagnaro. Filazana fampitandremana miloko mavo ho an’ny morontsirak’i […]
«Festival de l’agriculture et écologie»: hitadiavana lalam-barotra ny tantsaha
Tanterahina, eny Ivato, nanomboka omaly ary haharitra telo andro, ny « Festival de l’agriculture et écologie » andiany faha-2, karakarain’ny Ecovillage Madagascar. Sehatra entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eto Analamanga ity hatao eny Ivato ity. Tanjona ny hitadiavana lalam-barotra ho an’ny vokatry ny tantsaha. Fihaonan’ireo orinasa madinika sy […]
Fahasalaman’ny saina: napetraka ny vondrona teknika hiasa
Napetraka ny volana aogositra 2021 ny Vovonana marolafy misy ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina tao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, izay niteraka voka- dratsy (fikorontanana, fahaketrahana sy fahakivian-tsaina tanteraka…) teo amin’ny sain’ny olona maro. Nanangana vondrona teknika ny Vovonana hanatanteraka ny drafitrasan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny saina eo anivono’ny minisiteran’ny […]




