Mpianatra iray mpanala fanadinam-panjakana BEPC no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny Ankadivato, omaly hariva. Nandeha irery izy tamin’io fotoana io no nifanena tamina jiolahy roa tanaty elakela-trano iray mihazo an’Ankadivato. Nalain’ireo olon-dratsy ny kitapokely misy ny kojakoja ampiasainy amin’ny fanadinana, miaraka amin’ny finday. Nosintonin’ny zandary ny taratasy fahazoan-dalan’ilay mpamily taksibrosy, […]
Taratra
Nahitana ratra ny lohany… : lehilahy hita faty nifatotra tongotra aman-tanana
Hita faty nentin’ny rano, tao ambanin’ny tanàna Valanady, kaominina Namorona, distrikan’i Manakara, omaly, ny lehilahy iray tokony ho 23 taona. Mbola hita teny aminy ny akanjony, saingy tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera, niaraka tamin’ny zandary, ny razana, nahitana ratra teo amin’ny lohany. Nifatotra tanana aman-tongotra […]
Ihosy : ankizilahy nisy naka an-keriny
Tafaporitsaka teo am-pelatanan’ireo telo lahy nandeha fiara 4×4 ny ankizilahy iray fito taona, ny talata teo, tao Ihosy. Avy any amin’ny faritra Soamatasy, Ihosy RN 13 ilay lasibatra. Araka ny filazany nandritra ny famotorana teny amin’ny zandary, fiara 4×4 iray miloko mena no nitondra azy. Teo am-piambenana omby izy no […]
30 mianaka tra-doza : raza mianadahy maty voapotsitry ny entana
Zava-doza no nanjo ireto mpandeha 30 mianaka, nitaingina kamiao mpitatitra entana. Nivadika ny fiara. Maty voapotsitra ny zazalahikely vao herintaona sy zazavavy sivy taona. Vokatry ny haratsian-dalana sy ny tsy fitandreman’ny mpamily! Maty tsy tra-drano ny zazalahy herintaona sy ny zazavavy iray 9 taona. Zanak’olona samihafa izy ireo. Mpandeha tao anatin’ny kamiao iray, […]
SOMBIM-BAOVAO
Basikety Tafaverina eto an-tanindrazana omaly ny Ankoay, avy niaro ny voninahi-pirenena, nandritra ny Mondial “FIBA World Cup U19 2023”, natao tany Debrecen, ny 24 jona-2 jolay. Laharana faha-14 i Madagasikara. Voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra, nandritra ity fifaninanana ity i Mathias M’Madi. Tonga nitsena azy ireo teny Ivato, […]




