Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Nasandratr’i M’Madi ny voninahi-pirenena nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety U19, natao tany Hongrie. Voalohany nandray anjara i Madagasikara kanefa efa ren’izao tontolo izao ny laza noho i M’Madi. Izy no mpilalao nahazo ny “meilleur marqueur” nandritra ny fifaninanana. Nahatratra 169 be izao ny isa azony tamin’ireo lalao 7 […]

Tsipy kanetibe malagasy : tsy mety mamotsotra ny sazy i Claude Azema

Mbola voasazy ny tsipy kanetibe malagasy. Nandefa taratasy manamafy izany ny federasiona iraisam-pirenena. Filam-baniny kosa, hoy Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny federasion’ny sport boule malagasy (FSBM). Raha tsiahivina, ny trosa tsy voaloa tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy “junior” sy vehivavy, natao tany Barcelone, ny taona 2021, […]

Disitrikan’ i Mananara avaratra : manana ny herijikam-pampandrosoana rehetra

Distrika iray anatin’ny faritra Analanjirofo i Mananara Avaratra. Miisa 285.917 ny mponina ao aminy. Miparitaka anatin’ny kaominina 16 sy fokontany 208 izany. Distrika anisan’ny tokony ho renivohitry ny karazan-karena  hahafahana mampandroso sy mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina ao aminy i Mananara Avaratra. Nisy fotoana niroborobo ny seha-pihariana maro, saingy noho ny […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka, omaly, ny fanadinana Brevet d’Etudes Professionnelles (BEP) ka nanokatra izany ny minisitra Vavitsara Rahantanirina, tao amin’ny LTPGC Mahamasina. Mahatratra 10 384 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay miparitaka amin’ny foibem-panadinana miisa 88. Mifanindran-dalana amin’ity BEP ity ihany koa ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA) . Mandritra ny 5 taona […]