Taratra

Antanimora : harenina ho tonga olom-banona ireo ankizy voafonja

Toeram-panarenana ny an­kizy solafaka na nivaona teny amin’ny fiarahamonina ny ao amin’ny kartien’ny ankizy tsy ampy taona, ao amin’ny fonjan’Antanimora. Fampana­ra­han-dalàna sy fitaizana ireo tanora ho tonga olom-banona no tanjona, raha ny namba­ran’ny tomponandraikitra. Tsy maintsy mifoha amin’ ny 6 ora sy sasany maraina ny rehetra. Efa voazara ny an­draikitra […]

Foibem-panadinana Lycée Rabearivelo : mpiadina voafonja dimy miatrika BEPC

«Roa herinandro ny faharetan’ny fitsarana ny kopiam-panadinana ka hoezahina hivoaka aorian’izay ny valim-panadinana BEPC», hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mandray ny ankizy voafonja miatrika ny BEPC, toy ny isan-taona, ny foibem-panadinana Lycée JJ Rabearivelo. «Dimy lahy izy ireo no manala fanadinana amin’ity taona ity ary misy mpiasan’ny fonja manara-maso azy […]

Fifanakalozana ara-barotra: hiara-hiasa i Canada sy i Madagasikara

Tsara ny vokatra nandritra ny hetsika “4ème Mission économique et commerciale » (MECC) tao Canada, ny 8-19 mey lasa teo, izay nandra­isan’i Madagasikara anjara. Taorian’io, mitentina 1.4 tapitrisa dolara ny fangatahana fanafarana entana voarain’ ireo mpandraharaha. Aman-jatony ihany koa ireo mikasa hividy ny vokatra malagasy. Vonona hiara-kiasa amin’ny Malagasy mpandraharaha ny […]

Antenimierandoholona: miisa 20 ny volavolan-dalàna lany

Nifarana ny zoma 30 jona teo ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierandoholona. Nitarika ny fotoana ny filohany (PS), Razafimahefa Herima­na­na. Miisa 20 ny volavolan-dalàna lany miampy tolo-dalàna iray. Anisan’izany ny volavolan-dalàna mikasika ny fampiasam-bola, ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny mikasika ny kaoperativa, ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny asa iarahana […]