Taratra

Toe-draharaham-pirenena mihamafana : miantso fandraisana andraikitra ny Fiarovam-pirenena

“Hiatrika fifidianana isika ato ho ato. Mihamafana ny toe-draharaha amin’izao. Mba tsy hilazana hoe mihamahamay… Mila fandraisana andraikitra lehibe isan’ambaratonga izany. Koa aza miraviravy tanana.” Io ny antson’ny minisitry ny Fia­ro­vam-pire­nena, ny Jly Ra­ko­toarijaona Josoa, tamin’ny fanombohana ny fi­vo­riana ia­ra­han’ireo tomponandraikitra ambony eo an­ivon’ny Tafika ma­lagasy, teny amin’ny Ce­mes Soanierana, […]

Rano milamina, manafim-boay

  Vita ny fety, efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Mitohy ny asa aman-draharaha. Mihodina manaraka izany koa ny raharaham-pirenena. Ny fitondrana, manohy ny fandaharanasany. Miketriketrika fifidianana. Midina ifotony mambabo ny fon’ny vahoaka. Mbola mandeha hatramin’ny fametrahana vatofototra. Na nilaza aza ny filohan’ny Repoblika fa mihantona izany. Voalazany fa […]

Filoha Rajoelina teny Itaosy : “Tsy hisy hahasakana ny ezaka ataontsika”

Teny Itaosy indray ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny hampandrosoana ny firenena sy ny fikaroham-bahaolana ho an’ny eny Atsimondrano. “Tsy hanaiky isika raha tsy mandroso i Mada­gasikara. Tsy hisy hahasakana ny asa sy ny ezaka ataontsika”, hoy izy, tamin’ny fitokanana ny ivontoerana hiadiana amin’ny zava-mahadomelina (Ofnalat), eny […]

TSELATRA

Mpandeha efatra naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny RN34, teo Pomay, omaly maraina. Taksibrosy niainga tao Morondava nikasa hihazo an’Antananarivo ity tra-doza ity. Nentina notsaboina ao Malaimbandy avy hatrany ireo naratra. Matetika mampitaraina ny mpandeha ny tsy fanajana ny hafainganam-pandehan’ny taksibrosy sasany amin’izao fotoana. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe […]

Cash point voatafika : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisin’ny Uir, taorian’ny fifampitifirana, ny jiolahy roa tao Tanam­bao Toliara, afakomaly atoandro. Avy nanafika Cash point iray izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy. Naka vola tamina Cash point iray, ao amin’ny fokontany Morafeno, ny raim-pianakaviana iray. Teny an-dalana ho any Ma­nin­day izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo basy. […]