Taratra

Rovan’i Madagasikara : miverina misokatra ho an’ny mpitsidika i Manjakamiadana

28 taona aty aorian’ny nahamay azy, tafatsangana ny Rovan’i Madagasikara. Fanambin’ ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana izany, raha vao nandray ny fitondrana izy. Notanterahina omaly, ny fanokafana ny Rovan’i Madagasikara, taorian’ ny fanarenana sy fanavaozana azy. Notokanana, niara-dalana tamin’izay koa ny kianja Ma­soandro, izay fotodrafitrasa vaovao. Nitarika ny lanonana ny […]

Resaka fizakana zom-pirenena : “Fambolena ady an-trano”, hoy ny loholona Tsiebo M.

“Fitadiavana fampisavorovoroana ny saim-bahoaka sy fambolena ady an-trano eto amin’ny firenena izany”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V., manoloana ny fivoizan’ny sasan’ ny hoe tsy mahazo mirotsa-kofidina ho filohan’ny Re­poblika izay mizaka zom-pirenena vahiny. Mazava ny And. 48 amin’ny lalàmpanorenana, milaza hoe izay te hirotsaka ho filohan’ny Re­po­blika dia […]

Asso-Fanantenana : arindra iadiana amin’ny fahantrana ny teknolojia sy ny soatoavina

Fampifandraisana sy fampifandrindrana ny fandrosoana teknolojika amin’ ny soatoavina fototra hiatrehana ny fahasahiranana sy ny ady amin’ny fahantrana ny anton’ny fisiana sy fiasan’ ny Asso-Fanantenana. Nam­pahafantarina teny, Antani­narenina, afakomaly. “Hanampy ny olona hioitra amin’ny fiainana hialana amin’ny fahasahiranana no tanjona”, hoy ny filoha mpanorina, Rakotonindriana Franck Gil Patrick. Misy ny […]

Fanahimanana Tiaray: “Ara-dalàna ny fanapahan’ny Ceni”

“Milaza ny And. 2 amin’ ny didim-panjakana tamin’ ny 2022-667 fa anjaran’ny Ceni sy ny rantsamangai­kany ny mamariparitra ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nisy fanapahan-kevitra maromaro noraisin’ny Ceni manao an’ izay hoe fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay.” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, manoloana ny […]

Antoko MMM : “Fitsinjaram-pahefana ihany…”

Nitohy tany Ihosy, Iho­rombe indray ny fihaonan’ny mpitarika ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andri­a­nainarivelo Hajo tamin’ny vahoaka, ny sabotsy teo. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny tany an-toerana ny tenany. Nambarany tamin’ izany fa fotokevitry ny antoko sady vahaolana amin’izany ny fitsinjaram-pahefana. “Ahazoan’ny eny ifotony ny fahefana sy mitantana ny hoavy […]