Taratra

ONG Gret : Omen-danja ny asa sosialy

Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany teto amin’ny Nosy, ny ONG Gret amin’izao fotoana izao. Mandalo eto Madagasikara, araka izany, ny tale iraisam-pirenen’ny ONG ka nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny asa sosialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton. Nodinihina nandritra izany, ny zava-bita tao anatin’ ny fotoana nisian’izy ireo. “Nomen-danja ireo orinasa […]

Tsena eny Soanierana : nihaino ny fitarainan’ ny mpivarotra ny ben’ny Tanna

Nitsidika ny tsenan’i Soa­nierana ny ben’ny Tanà­nan’ Antananarivo Renivohitra, omaly. Notsidihana nandritra izany ireo tsenan’ny fokontany III I ao ambany tsena Soanierana sy ny tsenan’ny fokontany III J ary ny fokontany III L Soanierana. Nanga­ta­han’ireo mpivarotra tao amin’ ny tsenan’ny fokontany III I tamin’ny ben’ny Tànana ny mba hanasiana vavahady […]

Ankorondrano : 546 ireo nisitraka fitsaboana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky va­ho­aka, karakarain’ny Kao­mi­nina Antananarivo Reni­vo­hi­tra. Nisitraka izany indray ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano An­dra­nomahery ao amin’ny boriborintany fahatelo. Nanom­boka ny talata teo ary hifarana rahampitso ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra, Andri­an­tsi­to­haina Naina, omaly. Naha­tratra 546 mahery ireo […]

CEPE 2023 : voaaro any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny laza adina

Araka ny fomba fiasa isan-taona, miasa 24 ora amin’ny 24 ora ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandra-pahatapitry ny fanadinana rehetra. Hanafaingana ny famoahana ny valim-panadinana izany. Efa any amin’ny foiben’ ny polisy na ny zandary avokoa ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, hatao ny talata 20 jona ho avy izao, […]