Tanteraka ny fampanantenana. Nanolotra jiro ho an’ny mponina any Imady Ala, fony minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Na izany aza, nisy kaominina vitsivitsy any an-toerana tsy mbola nisitraka izany. “Tsy maintsy homena ireo kaominina ireo. Tsy hisy toerana hatao zanak’Ikalahafa araka ny toromariky ny filoha Rajoelina ny amin’ny […]
Taratra
Jeneraly Serge Gellé: “Tsy mety ny mifampikasikasi-tanana “
Nitondra ny heviny, manoloana ny tranga niseho tany Morondava, niainga amin’ny fihetsiky ny depiote iray, ny faran’ny herinandro teo, ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana. Mazava ny nambaran’izy ireo tamin’izany. “Izaho manokana, tsy mety amiko ny mifampikasikasi-tanana. Misy antony ao, matoa misy ireny”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria-pirenena, ny Jly […]
Rahantanirina Lalao : “Manohitra befahatany ny mpanohitra”
“Manohitra befahatany fotsiny ny mpanohitra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Mahajanga, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Rahantanirina Lalao. Nitondrany fanamarinana ny ataon’ny mpanohitra sasany, ankehitriny. Misy mpanohitra miteny fa tsy maintsy miteny izy ireo, fa indraindray menatra raha hilaza fa manao izao fitondram-panjakana izao. Misy mpanohitra mahatsapa an’izay. Na eo […]
Antoko HVM : “Tsy misy dikany ny sata raha tsy hatsaraina ny lalàm-pifidianana”
“Aleo isika miroso mankany amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Tsy misy dikany ny hanaovan-tsonia ny sata, raha tsy mankany amin’ izany. Manomboka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hatramin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Fanambarana nataony momba ny fanaovan-tsonia ny satan’ny fitsi-pitondran-tena ho an’ny antoko […]
Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva: “Mila jerena ny vahaolana maharitra amin’ny fiainam-bahoaka”
Ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao. Inona no hatao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Groupe artistique évangélique Fenoantsa Itaosy (GAEFI) ao amin’ny Fiangonana fifohazam-panahy Moria Bemasoandro Itaosy, i Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva: “Mila jerena misimisy kokoa ny fiainam-bahoaka sy ny vahaolana maharitra amin’izay fiainam-bahoaka izay.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]




