Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, any Morondava, ny fifaninanana nasionaly N1B Lehilahy, taranja basikety. Azo lazaina ho mifandanja tsara avokoa ireo ekipa mpifaninana rehetra nandritra izay roa andro izay. Fihaonana tena niady ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery, ny lalao teo amin’ny As Victoire Boeny sy ny AKBB Analamanga, izay nisaraka tamin’ny […]
Taratra
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): naverina ny tae-kwon-do sy ny kick-boxing
Araka ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety Week-end, omaly alahady, tatsy La Réunion, averina ho anisan’ireo taranja hifaninanana ny Tae-kwon-do sy ny kick-boxing. Nisy ny fanerena nataon’ireo firenena mpikambana, ka nahatonga ny komity iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), niverina tamin’ny fanapahan-keviny. Raha tsiahivina, nahena ho 12 ny isan’ireo taranja hiadiana medaly volamena, amin’ity […]
LDC : tompondaka ny Manchester City
Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra, nahazo ny amboaran’ny “Ligue des Champions” (LDC) 2023, voalohany ho azy, ny Manchester City, Anglisy. Lavon’izy ireo, tamin’ ny isa 1 no ho 0, ny ekipa italianina, Inter Milan, nandritra ny lalao famaranana natao tany Istanbul, ny sabotsy 10 jona lasa teo. Niady tanteraka […]
« Festival des rugby » : resin’ny Makis ny ekipan’i La Réunion
Tsy nahatohitra ny Makis de Madagascar ny ekipa voafantin’i La Réunion, nandritra ny “Festival des rugby”. Nomontsanin-dry zalahy izy ireo, nandritra ny fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis, omaly. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny «Festival des rugby». Nanamarihana izany ny fihaonan’ny Makis de Madagascar sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Niondrika teo […]
Kongresim-paritra: nihaino ny olan’ny vahoaka tany Farafangana Ravalo
“Betsaka ny zava-bitanao taty aminay. Nahavita nanamboatra ny lalana mirefy 300 km nefa tsy notokananao izany ary tsy nisehosehoana… Tsy nanavahana ny “Kit scolaire” sy ny fijerena ny fanabeazana. Tahaka izany koa ny fampiroboroboana ny fiompiana sy ny fambolena”, hoy ireo vahoaka tany Manakara sy Farafangana. Nanatanteraka ny kongresim-paritra tany […]




