Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny tompony tao anaty fiara, paraky gasy 874 kilao saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Miarinarivo, kaominina ambanivohitra Andranomamy, ny alarobia 7 jona lasa teo. Naharay loharanom-baovao avy tamina tsara sitrapo, misy fiara mpitatitra iray voalaza fa nitondra ireo entana ireo niala avy ao Tanambe Ambatondrazaka hihazo an’Andranofasika. Niandry kendry tohina […]
Taratra
Vono olona : mpivady niara-maty voatetika famaky
Niakatra fampanoavana afakomaly, niara-nidoboka am-ponja ireo jiolahy telo nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana mpivady, tao Ankadimasina fokontany Tsarahasina, Kaominina Manohisoa, Distrikan’i Betafo. Lonilony namoa-doza! Mpivady niara-namoy ny ainy, vokatry ny vono nataon’ny jiolahy tao an-tokantranony, ny alin’ny 31 mey hifoha ny 1 jona lasa teo. Niakatra tamin’ny alalan’ny tohatra nentin’izy […]
Fiahiana ara-tsosialy: hitarina ny famatsiam-bola ho an’ireo vahoaka marefo
Mitohy hatrany ny fandinihana sy fakan-kevitra eo amin’ny mpisehatra maro samihafa hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ireo vahoaka marefo eto amin’ny Nosy mba hahafahany mihary. Nitohy omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy ny fakan-kevitra handinihana ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Niarahan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny FID […]
Potika ny rn5 : mandany vola ny fanarenana fiara
Anisan’ny mampitaraina ny mpitatitra ny fahasimban’ ny lalam-pirenena fahadimy mampitohy an’i Toamasina sy Mananara avaratra. Mazàna atao iray andro maninjitra ny dia. Mbola miantoka solika ihany koa ny fiara rehefa miampita ireo baka samihafa. Mandany hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ny fanarenana ny fiara, noho ny fahasimbana miompampana. Mila soloina […]
Sendikan’ny indostria malagasy: hampisongadina ny vokatra malagas
Toy ny fanao isan-taona, hampiranty ny vokatra malagasy ao amin’ny “Label Malagasy ny antsika” ny sendikan’ny indostria malagasy (SIM), amin’ity volana jona ity. Haseho sy hisongadina eny amin’ny magazay sy tranombarotra lehibe 14 eto andrenivohitra isaky ny faran’ny herinandro ireo vokatra malagasy. Tanisaina amin’izany ny Jumbo, U Express, Shop Liantsoa, […]




