Tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina mandritra ny telo andro ny « Salon de l’électricité des énergies renouvelables et des hydrocarbures », andiany faharoa. Anisan’ny firenena miditra amin’ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Antony nahatonga ny hetsika ny fampahafantarana ireo angovo samihafa azo ampiasaina andavanandro ankoatra ny herinaratra. […]
Taratra
Asa tanana sy haitao : fototry ny fanarenana fihariana
Mampiroborobo ny toekarena malagasy ny fanomezan-danja ny asa tanana sy ny fanodinana ny fako ho vokatra azo ampiasaina andavanandro. Tafiditra anatin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. “Tokony homena lanja ny asa tanana malagasy noho i Madagasikara mbola voasokajy ho anisan’ny firenena tsy manana indostria”, hoy Rabetsialonina Moustane, […]
Fanatsarana ny toeram-ponenana : nitsidika ireo fotodrafitrasa vita ny ben’ny Tanànan’Antananarivo
Maherin’ny 15 ireo fotodrafitrasa vita tao anatin’ny programan’asa ifarimbonana hanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary (PIATT), eto Antananarivo. Nisitraka izany, ny fokontany Andavamamba Anatihazo I, Manarintsoa Afovoany, Manarintsoa Atsinanana ary Manarintsoa Anatihazo. Tonga nitsidika izany ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny solombavambahoakan’ny boriborintany voalohany, omaly. Maro ny fotodrafitrasa vita teny anivon’ireo […]
Kalitaon’ny kakao : hodinihina eto Madagasikara
Hodinihina eto Madagasikara ny kalitaon’ny kakao vokatry ny adihevitra natao tany Abidjan renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny taona 2019. Eto Antananarivo, eny Anosy, no hanaovana ny dinika na « panel » ka hisy manampahaizana manokana hanatrika izany amin’ ireo sehatra rehetra voakasiky ny kakao. 12 izy ireo, avy amin’ ny sehatra tsy miankina […]
Sampati : hankalaza ny faha-30 taonany
Hankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny fikambanana Sampati (mpanazava sy tily) eto Madagasikara, ny 29 jolay ho avy izao. Nisy, araka izany, ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibe FJKM Analakely, omaly. Nampahafantarana ny fizotra sy ny hetsika rehetra hatao mandritra izany. “Mizara ny mazava” ny lohahevitry […]




