Taratra

Hamonjena ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo: hanainga anio ny kamiao dimy ho any Atsimo Atsinanana

Ankoatra ny tohana entin’ny fanjakana ho an’ny traboina sy ny vahoaka marefo, manao tan-tsoroka koa ny sehatra samihafa hanampiana azy ireo. Hanainga anio ny kamiao dimy avy ao amin’ny BNGRC hitondra fa­nam­piana ho an’ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, kolonely Andriakaja Elack […]

Ivokolo Analakely : miavaka ny haikanto vita amin’ny plastika

Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely ny varotra fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “Topy maso ho an’ny fahaleovantena ». Ny Association des Artistes Plasticiens de Madagascar na AAPMCAR no mikarakara ny hetsika, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka ny 5 jona 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 20 […]

Fiarovana ny zon’ny mpamorona: hisy ny firosoana amin’ny haitao ara-kajy mirindra

Tontosaina nanomboka ny 6 jona 2023, ny fihaonamben’ny firenena mpikambana ao amin’ny Unesco eo amin’ny fiarovana sy fampandrosoana ny fahasamihafana ara-koltoraly, andiany fahasivy. Ani­sany miatrika izany i Mada­gasikara, amin’ny alalan’ny delegasiona tarihin’i Lala­tiana Rakotondrazafy, minisitry ny Serasera sy ny ko­lontsaina. Nasongadiny nandritra ny fandraisam-pitenenany ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana […]

« Fady kambana » : tanjon’ny ranty ny hitondra fijery vaovao

Tamin’ny alalan’ny haikanto no nitondran’i Christian Sanna, ny antson’ireo reny sy nampahafantarany ny mahakasika ny fady mitaiza zaza kambana. Amin’ny alalan’ny haikanto ihany koa ny hitondrany izay mety ho fijery vaovao manoloana izany. Mitohy hatrany ny fampirantizna « Fa­dy Kambana », ataon’i Christian Sanna, Malagasy mpahay kanto, mpaka sary, eny amin’ny Institut […]

Tantara fihaino: hanao atrikasa ny V.M.T

Tany amin’ny taona 1980-2007 no anisan’ny nahazo vahana teo amin’ny isan-tokantrano ny fihainoana tantara alefan’ny Radio. Somary hadinodino izany tao aoriana noho ny fivelaran’ny serasera sy ny fitaovana mifanaraka amin’izany. Ankehitriny, manomboka miverina ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara. Manoloana io tranga io, hanatanteraka atrikasa sy loabary an-dasy ny Vondron’ny mpiangaly […]