Taratra

Hiragasy: nodimandry Rafetisamimanana Andohavary

Lavo ny andrarezina ! Ara­ka ny vaovao nampitain’i Da­dafara Lt Production, filoha le­fitry ny Federasion’ny mpihiragasy, nodimandry ny 7 jona 2023, tamin’ny 1 ora ma­raina, teo amin’ny faha-81 tao­nany, Rafetisamimanana Andoha­vary. Vao ny faha-15 taonany izy dia efa nirotsaka nanao hiragasy. Izany hoe, 68 taona nanaovana ity zavakanto sady kolontsaina ity […]

Misy tsy mahalala akory ny tanin-drazany: nanjary tsy misy fototra sy very hasina ny Malagasy

Tahaka ny ompa atao amin’ny Malagasy ny fiheverana fa very tanin-drazana, na inona antony na inona antony. Lalainy fatratra ny tanin-drazany satria nipoiran’ny razany sy mbola hiafarana rahatrizay. Sarotiny amin’io izy, hany ka miantso tody sy manozona raha sendra mahita olona sahy manimbazimba ny tanin-drazany… … Saingy, taloha izany, fa […]

Fampivoarana ny kitra : hisy fitiliana mpilalao eto an-toerana

Araka ny tetikasa “Mada­gas­car Terre de Football” izay ataon’ny LNR Sport Ma­nagement, misy ny fitiliana malagasy mpilalao baolina kitra, eto Madagasikara. I Wassim Gharmoul, mpikambana ao amin’ny “Agence Obelisq” no hitily sy hijery ireo mpilalao etsy amin’ny terrain synthetique Mahama­sina, ny 21 hatramin’ny 23 jona ho avy izao. Araka ny […]

Tetikasan’ny Fifa : efa manomboka ny hetsika “Football for School”

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny sekoly St Michel Amparibe, ny tetikasan’ny Fifa “Foot­ball for Schools” (F4S), eto Madagasikara. Miisa 36 ireo sekoly hanaovana ny andrana voalohany amin’ity tetikasa ity. Ankoatra izay, notolorana fitaovana toy ny baolina sy mari-pankasitrahana na “dip­lôme” mahakasika izany, avy amin’ny Fifa ireo mpanabe ny […]