Taratra

Bel’Air Talatamaty : lehilahy saika handefa vola sandoka tamina Cash-point

Noraisim-potsiny! Voa­sam­botry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Tala­tamaty, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka marobe saika halefa tamina Cash-point iray eo Bel’Air, Talatamaty. Tonga nampandre ny zandary ny olona iray mpanao Cash- point tamin’io fotoana io (tamin’ny 7 ora sy 30 mn), fa misy lehilahy iray saika […]

Fanafihana mitam-basy : jiolahy saika hitsoaka, maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy tao Vohitrarivo Vangaindrano, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Efa tratra izy, saingy nikasa hitsoaka tampoka ka voatifitra. Naharay fitoriana ny polisy ao Vangaindrano fa nisy jiolahy nanafika tao amina tokantrano iray ao Antsorolala, fokontany Saha­voangy, kaominina ambani­vohitra Fonilaza, […]

Andohan’Ilakaka : mpanao vato voatifitra, nifandona ny zandary sy ny fokonolona

Nandrasan’ny olon-dratsy kendry tohina teo akaikin’ny trano fonenany. Maty voatifitra ny lehilahy iray, mpanao vato tao Andohan’Ilakaka, afakomaly hariva. “Avy nanao afera toy ny fanaony izy ny hariva ka ni­kasa hody. Efa nisy niandry tsy lavitra ny trano fonenany anefa izy ka notifirin’ny jio­lahy avy hatrany”, hoy ny zandary. Vao […]

Ankoay U19 – “Match amical” : nanao sahala 95 no ho 95 tamin’ny AIA Canada

Lalao ara-pirahalahiana roa no natrehin’ny Ankoay U19, omaly, tetsy Mahama­sina, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Hongrie, afaka tapa-bolana. Araka izany, ady sahala sy fandresena iray no azon’ny Ankoay nandritra ireo lalao roa ireo. Ny voalohany izay nifanandrinany tamin’ny klioban’ny AIA Canada, ka nisaraka ady sahala 95 […]

« Mercato Juin »: lasan’i Real Madrid i Bellingham

Taorian’ny fahalasanan’i Karim Benzema nifindra lasy any Arabia Saodita, Al Ittihad, ny talata lasa teo, nahazo mpilalao vaovao ny Real Madrid. Azon’izy ireo ilay anglisy milalao ao amin’ny Dortmund, Alemana i Jude Bellingham, omaly, araka ny vaovao niely eraky ny tambajotran-tserasera. Mitentina 103 tapitrisa euros ny vidin’i Bellingham, araka ny […]