Nitondra fanehoan-kevitra manoloana ny fitsinjaram-pahefana voiziny ny eo anivon’ny MMM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa misy ny hevi-diso amin’ny fandraisan’ny sasany izany. Tsy mitombina ny filazan’ny sasany fa tsy mahavaha ny olan’ny vidim-piainana sy ny fampianarana, fahasalamana… ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy gaga isika raha tra-pahasahiranana satria ny eny […]
Taratra
Praiminisitra Ntsay Christian : “Manaja ny fandaminan’ny depiote ny governemanta”
Naneho hevitra manoloana ny tsy naharaikitra ny adihevitra momba ny tatitry ny governemanta, tokony ho niarahana amin’ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Christian. “Tany demokratika isika, lapan’ny demokrasia ny Antenimierampirenena ka manaja ny fandaminan’izy ireo izahay. Tonga ny governemanta rehefa nantsoina hiatrika ny adihevitra, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana”, hoy izy. Nohamafisiny […]
Krizy lalina
Mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara. Manomboka eny ifotony rehetra eny ny olana mipaka amin’ireo heverina ho lohan’ny firenena. Taiza sy oviana no nisy izany hoe tsy mifanome hasina intsony ny andrimpanjakana. Tsy tahotra tsy henatra, imason’olon-tsotra, ivelan’ny rafitra sy ny mpanao gazety, no mifandramatra toa zaza mifanarakaraka ireto olom-boafidy. Efa […]
Nanjavona ny depiote: nody maina ny governemanta
Zara fa nisy depiote nandray ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Nahemotra ny ady hevitra teo amin’ny roa tonta. Voatery nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny adihevitra momba ny tatitra nataon’ny governemanta, araka ny tapaky ny depiote, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana. Nahanjahanjan’ireo solombavambahoaka, nandritra ny ora iray mahery, […]
Association Fitia : mpivady misandoka ny anaran’i Mialy Rajoelina
Naiditra am-ponja eny Antanimora ny lehilahy iray raha nomena fahafahana vonjimaika ny vadiny rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Voarohirohy ho manao fisolokiana ireo sahirana ara-pivelomana izy mivady. Misandoka amin’ny anaran’ny “Association Fitia” sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Mialy Rajoelina, izy ireo. Ny zandary teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava […]




