Taratra

Tenisy – « Billie Jean King Cup »: lavon’i Madagasikara i Sénégal

Mitohy ny fahombiazana azon’ireo vehivavy malagasy mpilalao, miaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifaninanana maneran-tany, « Billie Jean King Cup », taranja tenisy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Sénégal. Mitombo ny vokatra tsara azon’ny ekipam-pirenena mala­gasy vehivavy, amin’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup », taranja tenisy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 […]

Randrianarivony Daniel : “Vonona hiara-hiasa amin’ny Bianco ny IGE”

“Vonona hiara-hiasa amin’ ny Bianco izahay amin’ny mety ho fomba sy paikady rehetra hampihenana ny fanodinkodinam-bola sy ny fanararaotana fananam-panjakana”, hoy ny tale je­neralin’ny Inspection générale de l’Etat (IGE), Randria­narivony Daniel, tamin’ny fanaterana fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco, Ambohibao. “Amin’ny toerana misy anay sy ny andraikitra tazoninay, tonga iza­hay hanome ohatra […]

Vola ho amin’ny fifidianana : nampanantena vahaolana ny Atitany

Nanala ny ahiahin’ny maro na tsy hokitihina na hahitsin’ny depiote aza ny tetibola “LFR”. Nambaran’ ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin, omaly, fa hampafantarin’izy ireo tsy ho ela ny tena tetibola farany ilaina amin’ny fanatanterahana fifidianana. “Mana­na anjara biriky amin’izany ny fitondram-panjakana. Eo koa ny ifampiresahana amin’ ny mpiara-miombona antoka […]

Avotra ho an’ny firenena : “Mila alamina ny firenena mialoha ny fifidianana”

“Ankehitriny, miteny izahay fa mila alamina aloha ny firenena. Tsy mbola tokony hihazakazaka amin’ny fifidianana isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny antoko Avotra ho an’ny firenena, Dr Razafin­dra­koto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repob­lika izao. Ho vita foana ny fifidianana, fa aleo aloha halamina sy […]

Filankevitry ny minisitra : faritra faha-24 Ambatosoa

Eo anivon’ny minisite­ran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, noraisin’ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoe­li­na teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, ny volavolan-drijantenin-dalàna momba ny fananganana Faritra vaovao any amin’ny tapany avaratry ny Faritanin’i Toamasina, izay antsoina hoe Faritra Amba­ta­soa. Mandrafitra izany Faritra vaovao izany ny distrikan’i Maroantsetra, ahitana kaominina 20 sy […]