Taratra

Tenisy – Billie Jean King Cup : lavon’i Madagasikara i Lesotho

Taorian’ilay fandresentsika, tamin’ny isa 2 no ho 1 nanoloana an’i Cameroun, nahazo vokatra tsara indray ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, sokajy vehivavy, ny talata lasa teo. Nomontsanin’ny ekipam-pirenena malagasy, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, nandritra ny andro faharoa amin’ny fifaninanana «Billie Jean King Cup». Lavon-dRanaivo Narin­dra, […]

Kitra – Barea de Madagascar : ho tonga amin’ny 10 jona ireo mpila ravinahitra

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny kintana maintin’i Ghana, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny Can 2024. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana no tonga amin’ny fampivondronana, etsy Mahamasina. Efa ao anatin’ny fano­manan-tena amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana avokoa no miatrika izany. […]

Boriborintany I : ankizy 1177 nisitraka kopia faobe

Nanatanteraka fizarana kopia faobe, andiany voalohany, ny boriborintany I, omaly. Maherin’ny 476 ireo kopia voazara nandritra izany. Te­tikasa nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra sy ny Organisation Internationale de la Fran­cophonie (OIF). Nisitraka izany ireo ankizy 1177 eo anelanelan’ny herintaona hatramin’ny 17 taona manerana ny fokontany 44 eo anivon’ny boriborintany. Mbola betsaka […]

CUA- Fahasalamana sy fahadiovana : niampy 40 ny “inspecteur d’hygiène” hanara-maso

Nampitomboina ny isan’ireo “inspecteur d’hygiène” hiasa, hanara-maso ny fahadiovana sy fahasalamana eto Antananarivo. Midina ifotony mijery ny zava-misy izy ireo ary mampihatra ny sazy mifanaraka amin’izany. Mpianatra “inspecteur d’hygiène” 40 na­voaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Natao tetsy amin’ny Lapan’ny Ta­nàna Analakely ny lanonana natrehin’ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivo­hitra. Nampitondraina ny anarana […]

ACMIL : fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra

Notontosaina, ny talata teo, tao amin’ny place d’armes-n’ny Akademia Miara­mila (Acmil) Antsirabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra miisa 114 ao amin’ny andiany mivantana faha-46 (La 46è Promotion) sy ny andiany manokana faha-26 (26è PFMCS) ao amin’ny Acmil. Misokajy ho toy izao manaraka izao izy ireo : miisa […]