Niakatra eo anivon’ny fampanoavana ao Fianarantsoa, omaly hariva, ireo olona iray kamiaobe indray voasambotry ny polisy sy ny zandary tamin’ilay raharaha fitsaram-bahoaka nitranga tao Andranomaitso. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nandray ny antontan-taratasin’ireo voarohirohy avy amin’ny polisy ny fampanoavana raha mbola niandry kosa ny antontan-taratasy avy amin’ny zandary. Nitohy […]
Taratra
Hajao ny an’ny tena !
Manomboka mivolon’andro asaramanitra ny eto an-tanàna. Mihatomotra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Efa manakoako ny tsipoapoaka. Manomboka mihofahofa ny sainam-pirenena na tsy mbola marisika amin’ny fananganana izany aza ny maro. Eto indrindra no mba hisintonana ny sain’ny olom-pirenena tsirairay. Taratry ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina, fanehoana ny maha izy azy, ilay […]
Lisi-pifidianana : hisy 20 andro farany hanoratana anarana
Mbola afaka manamarina farany ny anarany anaty lisitra ny mpifidy. Manana 20 andro izy ireo aorian’ny 10 jona.Omen-tsehatra manokana ny olona tena tsy mbola nisoratra anarana. “Am-perinasa izao ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika amin’ny fandikana ny lisitry ny mpifidy farany amin’ny ordinatera hamoahana azy ho lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny […]
Ambatofinandrahana : basy telo mahery vaika naverin’ny fokonolona
Natolotry ny fokonolona teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny basy mahery vaika miisa telo tao an-tanànan’i Soafianara, Manota, fokontany Ianakona, kaominina Fenoarivo, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny zoma 2 jona teo. Ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana, nanao be midina ny zandary miisa valo, niampy miaramila 5 ao an-toerana. Nanao diabe nitety tanàna izy […]
Mpianatra ho zandary : tsy hita popoka teny am-pihazakazahana
Nifampitadiavana nanomboka sabotsy 3 jona teo, mitohy ny fikarohan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly fiofanana ho zandary (EGNA) Ambositra, ny mpianatra ho zandary iray tsy hita. Niaraka tamin’ireo mpiara-mianatra aminy nanao ny hazakazaka 8 km toy ny mahazatra azy ireo izy io faran’ny herinandro io. “Efa fanaony io saingy tsy hita […]




