Taratra

Minisitra Rabarinirinarison Rindra: « Vahaolana ny fampiroboroboana ny toekarena anatiny »

Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), atao any Egypta, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola malagasy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Naneho hevitra tao amin’ny gazety boky Ecofin ihany koa izy, nivoaka ny 30 mey teo. Tsy vaovao aminy ny fitantanana krizy, efa niasa 12 taona tao […]

Akon’ny Pantekoty tao Toamasina : nahazo vahana ny tsatok’antsy, 150 naiditra hopitaly

Efa mahazatra! Tao anatin’ny ora-mikija tanteraka, niantomboka ny alin’ny zoma ka tsy nifarana raha tsy ny alarobia maraina teo, ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty tao Toamasina. Teo ihany koa ny fahatapahan-jiro lavareny efa mahazatra ny mponina ao an-toerana. Vokany, dibo-drano tanteraka ny lalana rehetra tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana sy […]

Politika sy tsimatimanota

Sadaikatra ihany ny hiresaka an’ireto manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireto. Maro amin’izy ireny no mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna sy efa zanaharikely latsaka fahefany, hoy ny fiteny mahazatra, eny an-tsisin-dalana. Misy mihitsy no mahavita mamorona lalàna araka izay maha meti­mety azy. Tsy lazaina intsony ny manao izay danin’ny […]

Depiote – Kolonely Martin: « Niaro tena ny vahoaka »

Manameloka ny fisamborana faobe nataon’ny mpitandro filaminana ny depiote, voafidy tao Vohibato, ny kolonely Martin. Nambarany fa niaro tena ny vahoaka fa tsy namono olona fahatany. “Tsy mpanao aferam-batosoa fa mpanakan-dalana mpiantsena ireo olona matin’ ny fokonolona tao Tatan­dratsy, fokontany La­lazana Ambony, kaominina Soa­hindrana, distrikan’i Vohi­bato, ny sabotsy alina hifoha […]

Ankazobe : mpangalatra moto efatra voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny mpangalatra moto efa-dahy tao Ankazobe, afakomaly. Nifampitadiavan’ny tompony ny moto roa lehibe izay nalain’ny jiolahy. Nanao ny fikarohana taorian’ny fitarainan’ny tompony avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny alalan’ny tsara sitrapo, fantatra fa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Marondry no nahitana ilay moto iray. Nidina nijery […]