Taratra

Loka « Minisitry ny Toekarena » : azon-dRtoa Rabarinirinarison R.H ny ABLA 2023

Norombahin-dRamatoa Rabarinirinarison Rindra Ha­simbelo, minisitry ny Toeka­rena sy ny Fitantanambola ny amboaran’ny « Minisitry ny Toekarena », nokarakarain’ny African Business Leadership Awards 2023. Miisa efatra ny firenena Afrikanina voasivana nanana solontena tamin’ity fifaninanana ity, ary ny teo anivon’ny kaontinanta Afri­kanina manontolo no namaritra sy nifidy izay ho mpandresy. Anisan’izany ny minisitry ny […]

Antsiranana-milina ENELEC nirehitra : nitondra vahaolana ny Jirama

Napetraka ao Antsiranana, omaly, ilay vata mpanova herinaratry ny orinasa Jirama hoentina hanoloana ilay milina an’ny ENELEC may afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tonga ao Antsiranana omaly, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Andriamanampisoa Solo, taorian’ny fahamaizana milina mpihary herinaratry ny ENELEC afakomaly. Fanta­tra fa hasolo […]

CUA-OIF : nosantarina ny fizarana kopia faobe

Nisitraka ny kopia nahaterahana voalohany, tamin’ny alalan’ny tetikasa kopia fao­be, ireo ankizy 20 teto Anta­nanarivo Renivohitra. Nano­lotra izany mivantana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andrian­tsi­tohaina Naina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) no nahafahana nanatanteraka izany. Miisa 4.207 ny kopia ho­zaraina amin’ity andiany voalohany […]

Herinandron’ny Mpanazava : ampiana ny ankizy hitrandraka ny talenta ao aminy

Nankalazaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny herinandron’ny mpanazava eto Madagasikara. Notanterahina teny Alarobia ny hetsika ho an’ny mpikambana teto An­tananarivo. Tonga nanatrika izany ireo ankizy mpikambana rehetra avy eto Antana­narivo Renivohitra. Mpa­natalenta mizara ny fahazavana, ny lohahevitra nosafi­dian’izy ireo tamin’ity taona ity. Maro amin’ny ankizy no manana talenta ka […]