Taratra

AGOA : hampiroborobo ny fihariana maharitra

Hampiakatra ny fari-piainana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny firenena amerikanina. Hitera­ka asa maro ho an’ny Mala­gasy sy fidiram-bola ho an’ny tokantrano samihafa ny hetsika “One day, one country”, izay natao ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia eny Andra­nomena. Nampivondrona ma­nam-pahaizana avy amin’ny […]

Fananantany : karatany 4.100 hozaraina ao Antanetibe Mahazaza

Mbola mitohy ny hetsika fizarana karatany ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany. Oma­ly, nizara karatany tao amin’ny kaominina Antane­tibe Mahazaza, distri­kan’Ambohi­dra­trimo, ny minisitera niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Casef. Tanjona ny hizarana karatany 4.100 ho an’ireo tantsaha any an-toerana. “800.000 ny karatany voazara amin’izao izay niarahana tamin’ireo mpiara-mi­ombon’antoka samihafa. 80% […]

USAID: kaominina 250 voavatsy rano fisotro

Tratra ny tanjona ho an’ny Sampandraraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana (USAID), mikasika ny famatsiana rano fisotro ma­dio. Nahatratra 700.000 ny olo­na nahazo rano fisotro madio tany amin’ny kaominina miisa 250, nanomboka ny taona 2017, tao anatin’ny tetikasa USAID « Rural access to new opportunities in water santation and hygiene (Rano Wash) ». […]