Taratra

Fikambanana Mafy be : hanohana ny fampiofa- nana Ratsiraka Annick

Tsy nitazam-potsiny. Nam­panantena ny filoham-boninahitry ny Mafy be, Ratsiraka Annick fa hanohana sy ha­nampy ireo vehivavy mivondrona eo anivon’izany fikambanana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana. Efa maherin’ny 100 ireo mpikambana ao amin’ny Mafy be eny amin’ny kaominina Tala­tanangavo ao amin’ny distri­kan’Ankazobe. Nampahafan­tarina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny fikambanana […]

Depiote Ratafika Andriamalazamanga : “Miandrandra fifidianana ny rehetra”

“Samy miandrandra hizotra amin’ny fifidianana ny rehetra mba handeha amin’ny fomba demokratika ny fifandimbiasam-pahefana hiampitan’ny filohan’ny Repoblika manaraka eo amin’ny fe-potoam-piasana vaovao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Antananarivo I, Ratafika Andriamalazamanga Dimbindraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. “Raha ny hitanay ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fitantanana […]

Fanavaozana lisi-pifidianana : tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’ny 31 mey

Hifarana anio ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’izay… Hifarana anio amin’ny 12 ora alina ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. “Aorian’ny 31 mey, tsy misy fisoratana anarana vaovao intsony, fa hisy lisitry ny mpifidy hivoaka rehefa […]

Adin’ny mpirafy : polisy nanindrona antsy, naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra ilay polisy nandratra tamin’ny tsatok’antsy ny rafilahiny. Mbola anatin’ny fitsaboana kosa ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Tsiahivina, nivoraka ny tsinainy. Ny alarobia 24 mey 2023, niakatra teny anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, ao Maroantsetra ny raharaha. Mpampianatra ny asan’ity raim-pianakaviana […]