Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mitam-piadiana sy ny mpitandro filaminana tao Antaramihery kaominina Soakibany, distrikan’i Midongy Atsimo, ny herinandro lasa teo. Lasan’ny dahalo ny omby 8 tao amin’io tanàna io. Nanara-dia ny tafika efatra sy ny zandary 5 niaraka tamin’ny fokonolona mitontaly 130. Nifanehatra tao Mitigny, fokontany Sahatsory, kaominina […]
Taratra
Héroïne sy Cocaïne : nizerianina dimy lahy nahatrarana 1,600 Kg
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Stup) sy ny avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy ny teratany nizerianina dimy lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Tratra tao amina trano iray eny Andranonahoatra Itaosy, izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahazo angombaovao ny polisy momba ny […]
Androndra : rotiky ny balan’ny polisy i Betela
Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), Ambohijatovo, i Betela. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana izy. Efa tsy zoviana amin’ny polisy rahateo, efa eo am-pelatanan’izy ireo ny momba azy. Mpamerin-keloka izy. Manohy ny asa ratsiny, isaky ny mivoaka ny fonja, araka ny fanampim-panazavana nomen’ny […]
Herisetra ara-nofo: zazalahy 14 taona sady nanolana no namono
Habibiana tanteraka! Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ny zazalahy 14 taona. Sady nanolana no namono ilay zazavavikely vao 6 taona atao hoe “Aylah”, tao amin’ny Fokontany Andohamerina, kaominina Andrainjato centre. Tra-tehaka omaly, ny zazalahy nahavanon-doza namono an’i Aylah, zazavavy vao 6 taona monja hita faty teo akaikin’ny “cité de prof” […]
Fivorian’ny APIOI : dinihina ny fampandrosoana ny seranan-tsambo
Natao ny alatsinainy sy talata teo ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo mpitantana seranan-tsambo eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Nandray anjara tamin’izany ireo Nosy rahavavy, misy an’i Comores, Maurice, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Madagasikara. Nanatrika izany koa ireo tomponandraikitra samihafa avy ao Taolagnaro sy ny avy ao amin’ny Société du […]




