Taratra

“Rugby Women’s cup 2023”: famaranana kely ny an’ny Springboks sy ny Makis Ladies

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa roa hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby. Anisan’ireo hiady izany tapakila izany ny Makis Ladies. Hiditra amin’ny andro fahatelo sady farany, rahampitso alahady, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby lalaovina olona […]

Issouf Ben Assoumacou : notsaroan’ny Akademia Malagasy

Tontosa, omaly, teny Tsimbazaza, ny fivoriambe iombonan’ny Akademia Malagasy. Fotoana nahatsiarovana ireo mpikambana efa maty teo anivon’ny fikambanana. Anisan’ny notsarovana manokana tamin’izany, ny Filohan’ny sampana tao Mahajanga, Issouf Ben Assoumacou. Marihina fa teraka ny 26 Marsa 1949 tany Morafeno, Mahajanga izy. Nodimandry ny 16 oktobra 2022. Notantaraina, nandritra izany, ny tantaram-piainany. […]

Seces Sampana Antananarivo: mitaky ny handoavana ny karaman’ny vakatera

Nivory teny Ankatso ny Seces, sampana Antananari­vo, omaly. Tapaka nandritra izany fa mitaky ny handoavana tsy misy hatak’andro ny karaman’ireo mpampianatra vakatera manerana ny toeram-pampianarana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo. “Mikatona ho azy ny oniversiten’Antananarivo raha sanatria ka mitsahatra tsy mampianatra ireo vakatera ireo na dia ny antsasany ihany aza”, […]

100 taona Rakotovao Martin: Olomangan’ny firenena teo amin’ny fanabeazana sy ny finoana

Nanomboka, omaly, teny amin’ny Akade­mia Malagasy Tsim­bazaza ny fahatsiarovana ny faha-100 taonan-dRakoto­vao Martin, mifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny faha-90 taonan’ny sekoly Anglikana trinité masina Ava­ratranjoma. Ni­songadina izy teo amin’ny sehatry ny politika, fitiavan-tanindrazana ary ny fanabeazana sy ny finoana. Mpi­kambana tao amin’ny MDRM ny taona 1946 izy ary voasambotra sy voaheloka ho […]

Atsimo Andrefana: tombanana ny fiahiana sosialy

Mitohy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, amin’ity herinandro ity, ny hetsika Iray volan’ny fiahiana sosialy, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Nisy ny fanangonan-kevitra niarahana tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny asa sosialy ao amin’ny faritra ahafahana manatsara ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana sosialy. Hanaovana jery […]