Nikarakara varavarana misokatra, andiany faharoa, ho an’ny rehetra, teny Malaza Ampitatafika ny «e-koragna», ny faran’ny herinandro lasa teo. 25 ireo olona nividy tany tao aminy ka nozaraina titra maha tompon’ny tany azy, nandritra izany. Nisy tranoheva maro teny an-toerana nanomezana torolalana sy fahalalana ho an’ny olona, mikasika ny tokony hatao […]
Taratra
Toko bey telo : « Tsy zaka intsony ny tsy fisian’ny asa any Toliara »
Manome toky ny filoha Rajoelina ny fikambanana Toko bey telo fa ao an-damosiny izy ireo amin’ny fanokafana ny tetikasa Base Toliara. Efa nanao antso avo ny fanohanany ny hisokafan’ity orinasa ity ny fikambanana tany Toliara. Namerina manamafy izany indray izy ireo, ankehitriny, ka tonga eto Antananarivo, ireo filoha mpitarika miisa […]
Fandaharanasa PLAE 6 : hamerina amin’ny laoniny ny ala 45.000 ha
Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaha amina kaominina maro samihafa ary hametraka ala arovana, amina hektara maro hatramin’ny taona 2027, ny fandaharanasa PLAE 6. Hifantoka amin’ny fiarovana ny sahandriaka, nofon-tany, hahafahana manohy ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Hikojakoja ny tany sy hamerina ireo rano manondraka ny […]
Ampahefa-dalan’ny OPL : hifandona ny Ajesaia sy ny CFFA
Hotanterahina, anio sy rahampitso, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fifanandrinana hatao eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, anio sabotsy 27 mey 2023. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala […]
Basikety-Donovan : « Mahay i Etazonia saingy azo resena »
Nigadona teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, Rakotonanahary Donovan, mpilalaon’ny Ankoay U19, nandranto ny taranja basikety tany Etazonia, nanomboka ny volana septambra 2022. Hiatrika ny fampivondronana miaraka amin’ireo namany ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hatao any Hongrie, izy. Nambarany fa nahita ny fomba filalaon’ny ekipa ao Etazonia […]




