Taratra

Imianta : fampandrosoana ny terak’Imady

Niorina ny taona 1991 ny Fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo (Imi­anta). Tanjona ny hiroboroboan’ny mpikambana sy hisian’ny firaisankina ho an’ireo mila ravinahitra sy monina eto an-dRenivohitra. Mano­didina ny 4.000 ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ny sehatry ny varotra, ny trano fiantranoana. Misy koa ny manana andraikitra […]

Mampifandray kaominina: vita ny lalana mampitohy an’Ambalatenina sy Ampisokina

Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambala­tenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andoda­be tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny fa­moaham-bokatra any an-toerana. Tom­bontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy […]

Hetsika ATDA : nampiseho ny fahaizany ireo start up 12

Sehatra iray nentin’ireo mpandraharaha 12 isa mahazo tosika avy amin’ny NextA ny hetsika fikaonandoha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra eto Afrika « Assises de la Transformation digitale en Afri­que » (ATDA) andiany faha-12, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Novotel. Samy nampiseho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry […]

Herinaratra : miverina ny fahatapahan-jiro lavareny

Mahery vaika indray ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro ireo zavatra simba, mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina. Vao iray volana izay, nisedra delestazy na­vaivay ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ankehitriny, miverina sahady ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny. Velon-taraina tanteraka ny mponina amin’ny afitsoky delestazy. Potika ny fihariana […]

Sandratra Tanambe : “Ôsikalo”, boky sy endri-tononkalo vaovao

Feno 10 taona ny sampan’ny Faribolana Sandratra ao Tanambe, Ambatondrazaka. Anatin’ny fanamarihana iza­ny ireo mpiray faribolana, ka nosantarina tamin’ny famoahana ny “Ôsikalo” izy io, ny faran’ny herinandro teo. Anaran’ny boky, kanefa ihany koa anaran’ny endrin-tononkalo vaovao, vokatry ny fikarohan’i Kelly Randria izy ity. “Tononkalo, elanelanina ôsika kely sady fohy ny […]