Taratra

Fikaonandoha: mitaky ny tetiandro ny G5

“Mitaky ny G5 sy ny vondron-kery rehetra nivory teto mba handraisain’ny fitondram-panjakana andraikitra amin’ny famoahana tetiandro hanatanterahana fikaonandoham-pirenena miainga any ifotony”, hoy ny mpitondra tenin’ny G5, Razanakoto Mar­cellin, nilaza ny fehinkevitry ny G5, taorian’ny fivoriana nikaton-trano, teny Antanimena, ny herinandro teo. Manome ny fanjakana fe-potoana 15 andro, hamaliany ny fitakiany […]

Fanatsarana fomba fiasa: hisy mpiandry raharaha ny fitsarana isaky ny sabotsy

Miova sata, miova andriana. Hanana ny fomba fiasany manomboka izao ny eo anivon’ny fitsarana, etsy Anosy. Napetraka ny laharam-pahamehana. “Haverina ny fiandrasan-draharaha isa­ky ny sabotsy eo anivon’ny fampanoavana. Mba hialana amin’ny fanalavana lavareny ny fihazonana olona atao fanadihadiana savaranonando eny anivon’ny polisy na ny zandary, ka mahafeno ireo toerana fitanana […]

Fivorian’ny Bad any Egypta : handray ny amboara “Trophée Babacar” ny filoha Rajoelina

Hotanterahina ny zoma izao any Sharm el Sheikh, Egypta, ny fivorian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Anisan’ny hiatrika izany any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry. Mandritra izany fihaonana izany no hanolorana azy ny amboaran’ny mpanorina lehibe aty Afrika «Lauréat du super prix grand bâtisseur», amin’ny alalan’ny «Trophée Babacar Ndiaye […]

Tomponandraikitra… tompon’antoka voalohany

Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanaovana kolikoly, ady tany, fisolokiana, fanambakana… Inona koa? Miseholany etsy sy eroa ny karazana fahalovana eny anivon’ny tokantrano, fiarahamonina, faritra… Tsia, tsy hoe ny lafiratsin-javatra ihany no ndeha hovisavisaina sy hotanisaisaina, hojerena sy hasongadina. Eo indrindra koa ny lafintsaran-javatra, be lavitra no ho […]

Fipoahana herinaratra : Citerne mpitondra solika nirehitra

Lasa lavenona tao anatin’ny ora maromaro, ireo kamiaobe kila hotohoton’ny afo, tao amina garazy iray, ao amin’ny fokontany Antanimalandy, Mahajanga II, omaly atoandro… Afobe! Nitrangana fahamaizana mahatsiravina tao amina garazy ana mpandraharaha iray mpitantana tobin-tsolika ao Ma­hajanga, omaly tamin’ny 12 ora sy 48 mn. Nahazo loharanom-baovao ny eo anivon’ny fari-piadidian’ny […]