Taratra

Ambohimiandra, Ambohitrimanjaka : hiaka-tsehatra ry Faly, Rakoto, Niravo, Antsaravaka…

Raikitra ny fitetezam-paritra. Hiaka-tsehatra eny amin’ny Ekar Ambohimiandra, distrikan’Ambohitrimanjaka ireo mpilalao tantara an’onjam-peo. Ahitana an-dRakoto, i Faly, i Niravo, i Antsaravaka, ary i Synèse. Hotanterahina ny alahadin’ny Pantekoty izao, manomboka amin’ny 2 ora, eo an-tokotanin’ny fiangonana Md Piera izany. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i Ony Mihajanirina, mitondra ny […]

« Prix Orange de Livre d’Afrique »: «Misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa», hoy i Michèle Rakotoson

Tao anatin’ny hafaliana ny nankalazana ny nahazoan’i Michèle Rakotoson ny « Prix Orange de Livre d’Afrique » andiany fahadimy. Mitohy ny ezaka ary misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny boky sy ny vaky boky. Tontosa omaly, teny Ankorondrano, ny lanonana fankalazana ny nahazoan’i Michèle Rakoto­son, ny amboaran’ny « Prix Orange […]

Kaominina Toamasina : nohadihadian’ny Bianco

Nanokafan’ny eo anivon’ny Bianco fanadihadiana ireo sampan-draharaha maromaro eo anivon’ny kaominina Toa­masina. Voalaza fa anton’izany ny fanahiana kolikoly niainga amin’ny fitarainan’ireo manao raharaha ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Eo koa ny ahiahy amin’ny mety ho fanodinkodinam-bolam-panjakana ary fanaovana hosoka eo anivon’ ity kaominina ity. Sesilany ny taratasy fiantsoan’ny Bianco ireo […]

Collectif Task force : “Tsy azo ekena ny fambolena korontana”

Hentitra ary nahitsy ny fanambarana. “Melohinay tanteraka , amin’ny endriny rehetra, ny paikady hambolena korontana mba tsy hirosoana amin’ny fifidianana malalaka sy iraisan’ny rehetra”, hoy ny eo anivon’ny Collectif Task Force, ahitana ireo fikambanana samihafa sy olon-tsotra any Eoropa, omaly. Nanterin’izy ireo ny fanohanana tanteraka ny filoha Rajoelina Andry sy […]