Taratra

Antoko Liaraike : miantso ny filoha ho kandidà i Kaleta

Notanterahina tany Am­boasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo, ny kongresy nasionalin’ny antoko Liaraike. Nohamafisin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo tamin’izany ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana sy hanaovana antso avo amin’ny filohan’ny Re­pob­li­ka. “Miangavy sy mangataka anao izahay mba hilatsaka hofidianana ho filoham-pirenena ka hanohy ny asa marobe efa natombokao”, hoy ny filoha nasionaly, […]

Antoko MMM: “Tsy ilaina ny Tetezamita… Aleo hadio ny fifidianana”

Nitohy tany Alaotra Mangoro indray ny famelabelaran-kevitra sy fihaonan’ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny vahoaka, ny herinandro teo. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany ny hevitr’izy ireo, momba ny raharaham-pirenena. «Tsy ilaina ny fametrahana fitondrana Tetezamita. Ny fifidianana no tokony hatao ny hampadio azy ahafahan’ny filoha vaovao eo mampandroso ny firenena», […]

Fidirana an-tsokosoko tao an-trano : voaroba ny vola sy ordinateran’ny filohan’ny Antenimiera

Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny “Com Pdt Assemblée Nationale” ny filohan’ny Antenimie­rampirene­na, Razanamahasoa Christine fa nisy niditra an-tsokosoko tao amin’ny trano fonenany, eny Andohan’i Mandroseza. Niseho ny alin’ny sabotsy 20 mey teo izany ka nahaverezana telefaonina fampiasan’ity lehibena Andrimpanjakana ity. Voarakitra ao anatin’izany avokoa ny fifandraisana rehetra. Lasan’ireo olon-dratsy koa ny […]

Krizim-piarahamonina

Hatramin’izao, misy hatrany ny misisika sy mikiry biby ny amin’ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita. Eny, na efa samy naneho hevitra aza ny ankamaroan’ny mpanao politika. Na eo anivon’ny fitondrana sy ny mpomba azy io, na ny eo amin’ny fanoherana. Samy miaiky sy manaiky ny maro fa tsy […]

Mpianatra nifanafika : sivy naratra, nifanindrona antsy

Voa mafy ny roa tamin’ireo mpianatra sivy naratra, vokatry ny fifandonana noho ny lonilony teo amin’izy ireo, tao amin’ny oniversite Andrainjato, afakomaly. Mpianatra avy amin’ny faritra roa samy hafa nifampihantsy ady. Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandary ao an-toerana, fanapahan’ny mpianatra iray avy any Menabe ny akondro naniry teo akaikin’ny […]