Taratra

Rugby Africa Womens Cup 1st Division 2023 : lavon’ny Simbas Kenya ny Makis Ladies de Madagascar

Ratsy fanombohana ny Makis Ladies de Madagascar, tamin’ity fifaninanana “Rugby Africa Womens Cup 1st division 2023” ity. Lavon’i Kenya, tamin’ny isa 29 no ho 20 ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany. Tsy dia tsara ny vokatra ho an’ny XV Makis Ladies de Madagascar nandritra ny andro voalo­han’ny fifaninanana “Rugby […]

Kick Boxing: lavon’i Jean Zorres i Johnny

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafo Maha­masina, ny lalao fihantsiana «Real Fight», taranja Kick Boxing, izay karakarain’ny klioba Kick Boxing Avenir (KBA). Lavon’i Jean Zorres, mpikatroka ao amin’ny Cosfa teo amin’ny “5ème Round”, Rakotondrabra Laurent John­ny na i Jonace, mpikatroka AFKM, teo amin’ny fihaonan’ny sokajy «Elite». Resy amboninahitra i Jonace, […]

Fehin-kevitry ny IDC-CDI : “Atsaharo ny fandikan-dalàna sy ny sakantsakana”

Miantso ny governemanta hampitsahatra ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana momba ny fahalalahana mivory ny “Internationale démocrate centriste – IDC CDI”, tamin’ny fivoriambe nataon’izy ireo, tany Bled Slovénie. Hentitra izy ireo ny amin’ ny hanajana ireo lalàna sy fepetra rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana. “Atsaharo ny fandikan-dalàna. Antoka ahatongavana amin’ny fifidianana malalaka, […]

SMM : “Tsy natao hobaikoina ny mpitsara”

“Fanairana no nataonay ary miteny hatrany izahay, rehefa hitanay hoe tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy tokony hotsabatsabahina ny mpitsara. Izay no maha mpitsara ny mpitsara. Tsy natao hobaikoina, indrindra ny mpitsara mpamoaka didy”. Io indray ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbi­tanarivo. Efa nisy ny fanambaran’ny sendikà, na­makiana bantsilana ny fitsabatsabahana […]

Diosezin’i Morondava: voatendry ho eveka mpanampy Rakotojaona Jean-Nicolas

Notendren’ny papa Fran­soa, tamin’ny 19 mey lasa teo, ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava ny pretra Rakotojaona Jean-Nicolas, izay pretra diosezianina avy amin’ny diosezin’ An­tananarivo. “Misaotra an’ Andriamanitra ny Fi­von­dro­namben’ny eveka eto Ma­dagasikara amin’ny nanendreny sy nanomezany mpiandry ondry vaovao, ny Mgr Rako­tojaona Jean-Nicolas, izay ho eveka mpanampy ao […]