Taratra

Madagasikara-Pakistan : misarika ny mpampiasa vola ny Antenimierandoholona

Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny ambasadaoro vaovaon’i Pakistan, Muhammad Arshad Jan, ny alarobia 17 mey teo. Niompana tamin’ny fa­namafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Pa­kistan sy i Madagasikara ny fihaonana, ary koa ny eo amin’ny Antenimierandoho­lona malagasy sy pakistaney. Maro ny seha-pihariana noresahana, ka anisan’izany ny lafiny fambolena sy […]

Taranja anglisy : manamafy ny traikefa ireo mpampianatra any atsimo

Manamafy ny traikefany, amin’ny fampianarana ny ta­ranja anglisy eny anivon’ny sekoly, ireo mpampianatra 25 mianadahy ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny American English Training of Trainers (AE TOT) no hahafahan’izy ireo manao izany. Hianatra ny teknika vaovao fampianarana ny taranja anglisy hampiharina any an-dakilasy izy ireo, mandritra ny 4 […]

Hanafatra seringue fanaovana vaksiny ny fanjakana

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana seringue, 0,5ml sy safety box ho an’ny sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny (Depev), eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, ho an’ny taona 2023. Rehefa tsy misy seringue dia tsy misy […]

Zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana : nodinihina manokana ny fampianarana ireo zazavavy

Notanterahina tao Londres, QE II (Queen Elizabeth II) Center Westminster London, ny zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, ny herinandro lasa teo. Nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Sehatra iray fampivondronana lehibe indrindra maneran-tany natrehan’ireo minisitra maherin’ny 117 sy ireo mpisehatra avo lenta ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana […]

Teatra poetika: holalaovina an-tsehatra ny « Mampangidihidy-Z »

Matetika, arahina antsan-tononkalo na tsangan-tononkalo na vela-kevitra hatrany ny famoahana boky tononkalo. Amin’ity indray mitoraka ity, novain’ny Faribolana San­dratra izany ka natao teatra poetika, hotanterahana ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny 20 mey amin’ny 3 ora tolakandro, raha ny fanazavan-dRatsifa. « Mampangidihidy-Z », tantara an-tsehatra maoderina. Tonon­kalo maromaro narafitra ho lasa tantara iray […]