Taratra

Lalana ratsy manerana ny Nosy: sakana voalohany tsy mampandeha ny toekarena

Mitaraina ny mpamily fiarakodia rehetra, velon-taraina ihany koa ireo mpandeha noho ny faharatsian’ny lalana manerana ny Nosy, indrindra rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra. Sakana voalohany tsy mampandeha ny toekarena izany. Sady efa lafo no mampidi-doza ny fivezivezena manerana ny Nosy, amin’ireo lazaina fa lalam-pirenena ary tena tapaka na tsy azo aleha ny […]

Foire internationale de Madagascar : nahatratra 25.000 ireo mpitsidika

Tratra ny fanamby. Na­homby ny hetsika «Foire in­ternationale de Madagascar» (Fim) andiany faha-17 tamin’ ity taona ity. «Nahasarika mpitsidika maro ity hetsika ara-toekarena lehibe ity. Tra­tra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara, nahatratra 25.000 ireo mpitsidika nandritra ny efatra andro nanaovana ny Fim, teny amin’ny “Parc des expos”, Zone Forello, Tan­jom­bato», […]

40 taonan’ny ENI: hanangana laboratoara niomerika

Feno 40 taona ny Seko­lim-pirenena ho an’ny informatika (ENI) any Fiana­rantsoa. Lohahevitra noraisina ny hoe «Sekoly mahay mamorona, taninketsan’ireo sangany amin’ny informatika». Ho­so­kafana amin’ny fomba ofisialy ny 24 mey 2023 ny fankalazana, mitohy mandritra ny telo andro amin’ny jolay ary ho faranana amin’ny de­sambra. Maro ny hetsika hatao, manodidina ny […]

Harena an-kibon’ny tany: birao tokana ho an’ny volamena

Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy. Noresahany ny hananganana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany. Eo koa ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Maromaro ny fiovana eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, manomboka izao. Hatsangana ny birao tokana ho an’ny […]