Taratra

Filoha Rajoelina Andry: miantso ny FMF hizara ny valin-kasasaran’ny Barea Chan

Mitsipaka ny fandaminana napetraky ny Federasiona malagasy (FMF), amin’ny fitsinjarana ny «Prize money», azon’ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Chan 2022” ny mpanazatra sy ny mpilalaon’ny Barea. Miantso ny FMF, araka izany, ny filoha Rajoelina Andry hizara izany valin-kasasaran’ny mpilalao izany. Nanao fanambarana niaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred fi­lo­ha lefitra voalohan’ny Federasiona […]

Valiha Académie : 7 mianadahy hivoaka ho mpampianatra

Rehefa nianatra sy nahavita ny dingana faha-III. Mpi­anatra fito mianadahy mianatra eo anivon’ny foibe fampianarana sy fikarohana momba ny mozika «Valiha Académie» no hivoaka ho mpampianatra valiha. Fantatra fa nizara roa ny fiofanana narahin’izy ireo. Fianarana momba ny valiha sy ny fitendrena izany manaraka ny fomba fampianarana mozika fampiasa maneran-tany […]

Jinghui symphony orchestra : 60 mianadahy mivoy ny mozika mitaiza fanahy

Jinghui symphony orchestra, hivondronan’ireo Sinoa «moine», mahatratra 60 mianadahy. Ahitana mpitendry zavamaneno (lokanga, harpe, sodina, contre basse…) sady mpihira, mpandihy. Mivoy ny mozika nentim-paharazana sinoa toy ny mozika klasika bodista. Miangaly ireo mozika klasika tsanganasan’ireo andrarezina maneran-tany toa an’i Mozart, Beethoven, sns ihany koa ny Jinghui symphony orchestra. Tafiditra anatin’ny […]

“Tribute to Bodo”: niavaka ny fankalazana ny faha-35 taona nihirana

Fotoana iray tena niavaka ny nifampizaran’ny mpankafy an’i Bodo, omaly. Ankoatra ny fankafizana ny kantony hatramin’izay, nanampy tsiro izany fampisehoana izany ny fihiran’ny tanora mpanakanto ny hirany. Tontosa omaly, teny amin’ny CCESCA An­tanimena, ny fampisehoana nataon’i Bodo, notro­nin’ny tanora mpanakanto maro. “Tribute to Bodo” no anaran’ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny […]