Taratra

Antoko TIM : nisy ny kongresim-paritra tany Analanjirofo

Tontosa, omaly, tany Fe­noarivo Atsinanana, ny kongresim-paritra ho an’ny an­toko Tiako i Madagasi­kara (Tim) any amin’ny faritra Analanjirofo. Nitondra fa­nentanana ho an’ny mponina, nihaino sy nitafa tamin’izy ireo no nataon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ankoatra ny maha kongresim-paritry ny antoko Tim azy. Nanotrona azy tamin’izany ny solombavambahoaka miara-dia ami­ny. […]

Anarana miverina amin’ny lisitry ny mpifidy : anjaran’ny olom-pirenena ny manao fitarainana

“Tsy hisy intsony izany no hiteny hoe mbola nahita anarana miverina. Raha mahita izany ny olom-pirenena, anjarany ny miteny eny anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), ary ny CLRE no mampiakatra iza­ny isan’ambaratonga ary ho tonga eny anivon’ny Ceni foibe.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andriana­risedo Dama Arsène […]

Fijoroan’ny AFM : tsy hanaiky ho fitaovana politika ireo foko

Nifarana ny herinandro teo, teny Ilafy, ny fihaonamben’ireo raiamandreny eo anivon’ireo foko manerana ny Nosy, natao teny Ano­siavaratra. Nivoitra tamin’izany ny fijoroan’ny Anteni­mie­ran’ny foko (AFM). Nambaran’ny filoham-boninahitra voafidy tamin’izany ny fehinkevitry ny fihaonana. “Tsy hanaiky hatao fitaovana politika izahay. Hisi­kim-ponitra hanamafy ny fihavanana, ka hisitrahan’ny tsirairay eny ifotony ny harena […]

Fiatrehana ny fifidianana : nampitandrina ireo mikasa hanakorontana Raholdina

Tsy nitsitsy fitenenana ary hentitra ny depiote etsy amin’ny boriborintany fahadimy, Raholdina Naivo, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Nilatsaka ny fampitandreman’ity olom-boafidy IRD ity. «Aoka isika tsy ha­nana ahiahy amin’ny hizoran’ny fifidianana. Handrai­sana fepetra ireo mikasa ny hanakorontana. Tsy azo ekena ny bontolo na ny fikotrehana fanakorontanana», hoy izy, ny […]

“Raharaha Razaivola Raïssa” : mila porofo ny fisiana kolikoly

“Tena mamoafady ny kolikoly, ka tokony ho voaporofo mazava hoe: nisy tokoa ve izany? Raha misy tokoa izany, tsy tokony ho azo leferina. Tsy amin’ny “Raharaha Razai­vola Raïssa” ihany, fa amin’ny raharaham-pitsarana re­he­tra”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ran­dria­manantenasoa Landy Mbo­latiana, tany Fianaran­tsoa, ny herinandro teo. Marina fa nilaza […]