Taratra

Foto-drafitr’olona

Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana amin’izao? Voalohany sy lehibe amin’izany ny fanorenana fotodrafitrasa; eny, na hoe atao laharam-pahamehana aza ny sosialim-bahoaka noho ny fahasahiranana marolafy. Teo ny dona vokatry ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, ny rivodoza maro nifanesy, ny krizy ateraky ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia… […]

Avy nandona taxi… : Iray maty, fito naratra nofaohin’ny fiara 4×4

Olona iray no fantatra fa maty tsy tra-drano raha fito hafa kosa naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly tolakandro… Maty tsy tra-drano ny skoto iray nandeha an-tongotra, nofaohin’ny fiara 4×4 iray teny La Réunion kely, lalam-baovao Andramiarana ,fokontany Mo­rondava, kaominina Am­bohibao Antehiroka, omaly […]

Mafy ny fifandonana : miaramila iray sy sivily roa naratra voatifitry ny dahalo

Miaramila miasa ao amin’ ny Bataillon du genie sy olon-tsotra roa indray naratra mafy vokatry ny fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo tao Antsahatapaka, kaominina am­banivohitr’i Mahajeby, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zoma teo. Nanao fanarahan-dia andian-dahalo nangalatr’omby ireo miaramila mpa­mpandry tany niaraka tamin’ ny fokonolona mifanome ta­na­na amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny […]

Olona 56 hita tao anatiny… : sambo tratra nanjono tao Seychelles

Manomboka ny fanadihadiana ireo Malagasy 56 tratra nanjono tsy ara-dalàna tao amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Seychelles. Sambo roa no tratran’ny sambo Say de Malha nanjono tsy ara-dalàna tao amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Seychelles, ny zoma teo. Nahatrarana dingadingana sy sira tao anatin’ireo sambo roa ireo. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny teo anivon’ny Tafika […]