Nifanojo tamin’ny zandary nanao fisafoana, lavon’ny bala ny dahalo 11, tao an-tampon-tananan’ Andimaky – Manambolo, Kominina io ihany, distrika Belo-Tsiribihina, ny faran’ny volana avrily teo. Nikasa handrava tranombarotra tao amin’io tanàna io ny dahalo 30 lahy, ny alin’ny 27 avrily. Nitondra fitaovam-piadiana, nampihorohoro ireo manodidina izy ireo. Nanapoaka basy avy […]
Taratra
Ady amin’ny valala : velaran-tany 17.577 ha voafendraka fanafody
Tombanana ho manodidina ny 17.577 ha ny velaran-tany voafendraka fanafody, nanomboka ny volana novambra 2022 hatramin’ny alakamisy teo. Famendrahana ana habakabaka ny 9.680ha tamin’izany, raha an-tanety kosa ny 7.897 ha ambiny. “Ankehitriny, efa voafehy izany ka tsy hatahorana intsony”, hoy ny fanazavan’ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, Dr Raymond, nandritra […]
Fizahantany : fiaraha-miasan’ny Orange sy ny Federasiona CTM
Hiara hanohana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara ny Orange Madagascar sy ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM). Omaly, nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny Tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, sy ny Tale mpanantanteraka ao ny CTM, Ratovomalala Lova. Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny fizahantany sy ireo mpisehatra amin’izany ny […]
Tambajotra Antananarivo : foana ny delestazy
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), omaly, fa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny minisitra Andriamanampisoa Solo, sy ny Vondron’ny kaompanian-tsolika eto Madagasikara (GPM) taorian’ny fivoriana, ny 4 mey teo. Araka izany, nomen’ny minisitra toromarika ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Jirama, nampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fanapahan-jiro […]
Trafikana sokatra 43 : olona efatra tratra, nanjavona ny iray
Namoaka vaovao tao amin’ny pejiny facebook ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsimo Andrefana, ny 8 avrily teo. Voalaza, fa nisy olona efatra, nahatrarana sokatra arovana miisa 43, ny 7 avrily. Nahavariana anefa, fa olona telo ihany no niatrika ny fitsarana TPI Toliara ny 2 mey teo, araka ny tatitra […]




