Taratra

Mamonjy aina ny fanasana tanana : afaka misoroka otrikaretina maro

“Miara-mientana isika, ndao hanasa tanana, satria mamonjy aina ny fanasana tanana”. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka nanao hetsika koa ny teto Madagasikara. Ny 80%-n’ny otrikaretina azo eny amin’ny tobim-pahasalamana dia avy amin’ny tsy fanasan’ny mpiasan’ny fa­hasalamana, marary ary ny mpiandry marary tanana […]

Peace Corps : mpilatsaka an-tsitrapo 21 vita fianianana

Mpilatsaka an-tsitrapo 21 mianadahy indray no nahavita fianianana, omaly, teo anoloan’ny Mpanolotsaina voalohan’ny Ambasady ame­rikana, Tobias Gluck­s­man. Hanampy isa ireo efa eto an-toerana izy ireo hiantsehatra amin’ny asa sosialy any amin’ny toerana ambanivohitra. Miverina tsikelikely ny asan’ny Peace Corps ankehitriny, taorian’ny fampodiana faobe ireo mpilatsaka an-tsitrapo, vokatry ny valanaretina Covid-19, […]

Tetikasa  Iarivo Speaking English : tanora 60 mianadahy mahafehy ny teny anglisy

Mpianatra 60 mianadahy, nanaraka ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Iarivo Speaking English », no notolorana mari-pankasitrahana, omaly , tetsy amin’ny Tranompokonolona Ana­la­kely. Nisalotra ny anarana “Pride of Iarivo” ity andiany fahatelo ity. Nianatra nandritra ny efa-bolana izy ireo ary ma­havoafehy tanteraka ny teny anglisy […]

Kaominina Ivato : 1000 isan’andro ny tonga manao kara-tany

Nanomboka ny talata teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olona mikarakara ny kara-tany , eny amin’ny kaominina Ivato. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hanaovana kara-tany faobe, hahafahan’ireo olona misitraka ny taniny ara-dalàna ny hetsika. Manodidina ny 1.000 isan’andro ny olona tonga ma­nao ny fangatahana kara-tany ao anatin’ity hetsika […]

Fanondranana zaza antsokosoko : tsy afa-miditra eto Madagasikara intsony i Dylan Thiry

Nanao fanambarana iombonana omaly, ny minisitera 5 voakasiky ny raharaha Dylan Thiry, ilay voalaza fa nanao fanondranan-jaza antsokosoko. Nisy ny horonampeo niparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy izay niaingan’ny fanadihadiana. Vantany vao nitranga ny fiparitahan’ny horonampeo dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana manokana ny fivezivezena eny amin’ny […]