Taratra

Tsy mbola ampy ny amperinasa eto amintsika : am-polony ireo rasazy mitady ravinahitra any ivelany

14 500 ny isan’ny rasazy voasoratra anarana ho mpikambana ao anatin’ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny holafitra, Ranoro­malala Oméga, omaly teny Ivato. Tokony miditra ho mpikambana avokoa ireo mpianatra vaovao nahazo ny diplaoma licence, taorian’ny fianarana telo taona na Master raha mbola nanohy, araka ny voafaritry ny lalàna. […]

Tsy nandray karama 4 taona: hampiato ny fampianarana ireo vakatera amin’ny oniversite

Maro tamin’ireo mpampianatra vakatera eny anivon’ny ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ny tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona. Manaitra ny sain’ny fanjakana izy ireo, noho izany, alohan’ny hampiatoana ny fampianarana. Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, teny Anka­tso, ireo mpampianatra vakatera miasa eny anivon’ny oniversiten’Anta­na­narivo sy ny Seces, omaly. […]

Championnat du monde «Slam Poésie» : «Tanjona ny ho tafiditra telo voalohany», hoy i Hichim

Hotanterahina any Paris, Frantsa, ny 15 hatramin’ny 17 mey 2023, ny fiadina ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny Slam Poésie. Abdou­la­num Abdillah, fantatra amin’ ny anarany entiny miantsehatra “Hichim” no misolo tena ny Malagasy ao anatin’izany fifaninanana goavana eran-tany izany. “Tsy hijery aho hoe iza no mifaninana amiko amin’io fa […]

“Et si? On se réunissait”: hiray sehatra ny mpanao hatsikana

Tanterahina, anio, ao amin’ ny Kianja Mahamasina, ny se­ho an-tsehatra iarahana amin’ ny fianakaviamben’ny mpanao hatsikana malagasy, entina mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fihomehezana. “Et si? On se réunissait” no lohahevitra sy lohatenin’ny fampisehoana. Ny Komedy Club no mikarakara ny hetsika ary ho avy ao avokoa ny mpanao hatsikana […]