Hanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika hotontosainy mandritra ity taona 2026 ity ny Jazz Club CGM/GZ. Hisy, noho izany, ilay fampisehoana lehibe «Jazz fiderana» hotanterahina eny amin’ny fiangonana FJKM Mahazoarivo, ny alahady 15 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Lohahevi-dehibe hanankinana ny « Jazz fiderana » ny « Aoka izay rehetra manam-pofonaina […]
Taratra
« Tena kanto 2 »: Lehilahy avokoa no hampiara-peo amin’i Poopy
Hiavaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny andiany faharoa. Tovolahy daholo no nasain’i Poopy hanampy azy eny an-tsehatra amin’ity. D-Lain, Tanjona Randrianarivelo ary i Ken. Ireo izy telo mirahalahy nosafidian’i Poopy, hampiara-peo an-tsehatra aminy, mandritra ny «Tena Kanto 2 ». Fampisehoana hotontosaina ny 1 marsa ho avy izao izy ity, ao amin’ny Lapan’ […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisitraka mivantana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Korea Atsimo ireo tanora malagasy hatrany amin’ny 15 000. Fifanarahana entina hanamora ny fandraisana sy fampiofanana, fianarana teny koreanina ary ny fisitrahana asa maro any an-toerana. Voakasik’izany ny Ingénierie de la construction, ny Paramédical, ny jono, ny fitrandrahana ala, ny […]
Mpiasa amin’ny tsy miankina: Hakarina 300 000Ar ny karama farany ambany
Hihatra manomboka ny 01 marsa ny fampakaran-karama ho 300 000 Ar ho an’ny fandraisana mpiasa ho an’ny sokajy M1, eo amin’ny sehatra tsy miankina, araka ny fifanarahana nataon’ny Fivondronan’ny orinasa malagasy (GEM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FivMpaMa) ary ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM), ny herinandro teo. Mbola […]
Fitantanan-draharaha : Tsy afa-misaraka ny fambolena sy ny fiompiana
Nitaky ny hananana fitantanana jeneraly mahaleo tena ny mpiasan’ny sampandraharan’ny Fiompiana. Nitondra fanazavana, omaly, ny ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nambaran’ireo solontena maromaro, nisolo tena ny minisitra, izay tsy eto an-toerana, fa tsy afaka tanterahina ny fanasarahana ireo sehatra ireo. Voalohany, manodidina ny 2 000 ny totalin’ny mpiasa, […]




