Taratra

Madagasikara-Rosia : Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa

Tanterahina anio, eny amin’ny biraon’ny masoivoho rosianina, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-81 taona nahazoana ny fandresena tamin’ny ady lehibe faharoa. Lanonana izay notarihin’ny mpiraikidraharaha, mpisolo toerana, Alexei Buriak mivady. Nasongadiny nandritra ny lahateny izay nataony, fa nitondra ny anjara birikiny lehibe tamin’ny ady ny fireneny, nanoherana ny fasisma. Nambarany […]

Manao fitan-droa

Tao anatin’ny volana vitsivitsy, mihamena avokoa ny famantarana eto amin’ny firenena. Miverina ny rano tsy ampy. Manomboka ny delestazy izay nilokalokana ny fahataperany. Ny vidim-piainana moa dia miaka-midina toa lelon-jaza eny. Ny tsy fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka miara-mivarina any amin’ny fiibana faobe. Angaha hita izay fiovana! Amin’izao fotoana izao, mampikaikaika […]

Kly Randrianirina Michaël: Nihaona tamin’ny filoham-panjakana maromaro

Nisinisy ny filoham-pirenena niara-nidinika tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, tany Nairobi. Anisan’izany ny Kenianina, Ivoarianina, Egyptianina, sns. Ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola stratejika ary ny fiaraha-mi­asa hanohanana ny tetikasa fampandrosoana aty amin’ny firenena afrikanina. Izay no nifantohan’ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy ny Frantsay “Africa Forward” 2026, […]

TSELATRA

Niakatra teny anivon’ny Pac 67 Ha, omaly, ireo olona enina voarohirohy tamin’ny fanaovana kolikoly sy fanapariahana laza adina mialoha, hidirana ho mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana (ENMG). Mpiasa eo anivon’ny sekoly ny telo amin’izy ireo, izay samy niaiky heloka avokoa. Nanda ny fiampangana azy kosa ny olona telo hafa. Andrasana ny […]

Kaominina Tsifota : Notampenan’ilay teratany vahiny ny lalana

Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mihetraketraka ao amin’ny kaominina Tsifota, Toliary II, ny teratany vahiny iray. Nohidiny tsy azo andehanana intsony ny lalam-bahoaka. Manana trano fandraisam-bahiny izy ary mbola nividy tany hafa, elanelanin’ny lalana amin’izany toerana izany. No­tampenany ny lalana, raha nanaja ny fahafahana mampiasa izany avokoa ireo rehetra mipetraka amin’io […]