Teny filamatry ny fitsarana malagasy ny hoe fialofan’ny marefo. Raha vao miditra ny Lapan’ny fitsarana dia izay no mitsena. Toa miakatra ho azy ny moraly. Velom-panantenana izany ireo olona an’arivony isan’andro, tonga eny amin’ny tribonaly. Iza tokoa no tsy ho sodokan’izany fehezanteny izany? Indrindra ireo efa iharan’ny tsindrihazolena sy ny […]
Taratra
Moto tsy misy jiro nifandona: olona iray maty, roa naratra mafy
Nampihoron-koditra! Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto nifandona tao anaty haizina teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. Maratra mafy kosa ny roa lahy tamin’ilay moto faharoa… Maty tsy tra-drano tao anaty haizina ny mpitondra iray vokatry ny fifandonan’ny moto roa teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. […]
Nidoboka am-ponja eny Antanimora : inspektera sandoka tratra teo am-pangalarana moto
Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ireo roa lahy nangalatra moto tetsy Ampasika. Naka taxi-moto, niala teo Antanimena ka hihazo eny Ampitatafika ny mpisoloky iray. Nitonontena ho inspektera io lehilahy io. Matahotra entina moto anefa izy, raha ny nambarany tamin’ilay tompona moto ka nangataka hitondra izany. Maim-bola, nanaiky ilay tompona taxi-moto ka […]
Itaosy…: tratra ireo jiolahy mpaka an-keriny
Tsy nahomby ny fikasan-dratsin’ireto jiolahy nanao fakana an-keriny teny Andranonahoatra Itaosy, afakomaly. Olona roa indray tratra (vehivavy sy lehilahy) raha mbola eo am-pikarohana ny roa lahy hafa kosa ny zandary. Mpiasa tao an-tranon’ny ray aman-drenin’ilay nalaina an-keriny ihany ireto nahavanon-doza ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ ny borigadin’Itaosy, amin’ny […]
Tanaty tranon’afokasoka… : tovolahy tratra nitondra héroïne
Mahita hirika foana ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ity lehilay iray tratra nitondra héroïne teny amin’ny Lakandranon’Andriantany Antohomadinika, omaly ity. Ny polisy avy ao amin’ny poste avancé Ilanivato no nahasambotra azy. Voarohirohy ho mpivarotra sy mpanao trafikana zava-mahadomelina “héroïne” izy. Tsikaritr’ireo polisy manao fanamiana sivily manao ny asa teny […]




