Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP2), Ambohijatovo Ambony, teny Ampahateza/Ambohipo, omaly tamin’ny 8 ora maraina, ny jiolahy efatra voarohirohy ho mamboly sy midoroka ary mivarotra zava-mahadomelina. Nahazo loharanom-baovao ny polisy miandraikitra iny faritra iny fa misy olona mamboly zava-mahadomelina eny amin’iny faritra Ampahateza iny. Nidina teny […]
Taratra
Mpamonjy voina: miady amin’ny loza mety hahazo ny vahoaka
Nankalazaina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina. Nampahafantarina ny rehetra ny asa sy ny andraikitr’ izy ireo nandritra izany. Nisy, araka izany, ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra, teny amin’ny tobin’ny mpamonjy voina Tsaralàlana sy Analamahitsy. Tanjona ny hampahafantarana ny mponina ireo andraikitra sy tsara ho fantatra rehetra […]
FEPA andiany faha-14 : mampiranty ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana
Nisokatra omaly, eny amin’ny tokontany malalaky ny Malagasy professionels de l’élevage (MPE), eny Nanisana, ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (Foire de l’élévage et de production animale). Haharitra efatra andro izany. Hita eny an-toerana ny ankamaroan’ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana. Torak’izany ny fampitaovana ilaina. Mampiavaka ity […]
UE-OSC : olana ho an’ny tantsaha ny fahazoana tany
Natao ny 19 avrily teo, ny dinika teo amin’ny Delegasiona Vondrona eoropeanina eto Madagasikara (DUEM) sy ny solontenan’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Lohahevitra nifampidinihina ny hoe « ny fambolena, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny fananan-tany ». Nanamarika ny Fiarahamonim-pirenena (OSC) fa mbola marefo ny rafitra mifehy ny fambolena eny ifotony sy ny mponina. Tena […]
« Antso tontolo miaina » : hampihaonina ny tontolo iainana sy ny kanto
Efa mby an-koditra ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny hetsika «Atson’ny tontolo miaina», hatao ny 20 mey hatramin’ny 5 jona 2023 (Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana), etsy amin’ny Tour Zital Ankorondrano. Hetsika miompana amin’ny fandraisan’ny zavakanto anjara amin’ny fampitana hafatra fanairana eto Madagasikara manoloana ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro. […]




