Taratra

Prix Paritana andiany fahafito : voahosotra ho mpandresy i Ashiko Ratovo

Ny zava-misy hita eny rehetra eny no anisan’ny aingam-panahy nanosika, hanao ny tetikasa ary hampiditra azy ho anisan’ny mpifaninana amin’izao fifaninanana izao, araka ny nambaran-dRatovo Ashiko. Nampahafantarin’ny mpikarakara azy ny mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito. Ny “Prix Paritana” izay tetikasan’ny Fondation H, hanohanana ny mpahay kanto malagasy sy vahiny […]

Vidim-piainana : manomboka mihena ny vidim-bary

Manomboka midina tsikelikely ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao, raha ta­fakatra hatramin’ny 4.200Ar ny kilaon’ny vary gasy teo aloha teo. Efa tafiditra ana­tin’ny vanim-potoana fararano sy ny fiakaram-bokatra isika amin’izao, antony ma­hatonga ity fihenana ity. Ankehitriny, manodidina ny 2.300Ar ka hatramin’ny 3.400Ar ny kilaom-bary eny an-tsena. Nilatsaka 200 Ar isaky ny […]

Tandrina Suzette : fahasoavana lehibe ny fasimainty any Toliara

Vehivavy mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversite Toli­ara, Rtoa Tandrina Suzanette Alphonsine. Manana fijery mazava tsy mitongilana izy mikasika ny raharaha Base Toliara. Aminy, anjaran’ny fanjakana tanteraka ny manapa-kevitra mikasika azy, fa tsy tokony hijerena ny mpomba na ny mpanohitra ny tetikasa. «Efa fantatra ny tombontsoa entiny, koa inona […]

Tanora MYBM : nampahafantarina ny mikasika ny hetra

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Hetra (DGI) Germain, omaly, ireo tanora mpandraharaha miisa 15, mikambana ao amin’ny Ma­lagasy Youth Business Mee­ting (MYBM). Fihaonana nokarakarain’ny fandaharanasa Fihariana, mba hamantaran’izy ireo bebe kokoa ny tontolon’ny hetra. Nilaza ny tonia mpanatanteraky (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa nandritra ny fanazavana vao nahafantatra izy […]