Taratra

Antenimierandoholona : nisokatra ny fivoriana ara-potoana voalohany

Tontosa omaly tolak’andro, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Ano­sy, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe ara-potoana voalohany. Haharitra 60 andro ny fivoriana, araka ny voatondron’ny Lalàmpanorenana. Ny talata voalohany amin’ny volana mey no hanaovana ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fivoriambe ara-potoana faharoa. […]

Fakana an-keriny : raikitra ny fifampitifirana, olona 11 avotry ny zandary

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mpaka an-keriny sy ny zandary tao An­kilizato ,omaly. Fiana­ka­viana iray avy ao Amba­lakajaha, anatin’ny fokontany Mavo­gisa, kaominina Anki­lizato no nalain’ny olon-dratsy an-keriny. Tompon’antoka ny jiolahy fito mitam-piadiana mahery vaika. Manoloana izany, nisy ny fisafoana ny tanàna nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana […]

Zo sy adidy !

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny firenen-drehetra maneran-tany, anio. Andro natokana mba hanaitairana sy hampahatsiahivana ny mpitondra fanjakana fa tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana izay voarakitry ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombe­lona izany. Ny taona 1991, namoahana ny fanambarana voalohany tany Namibia no nanomboka, niketriketrehana azy ity. […]

Fitsindronana “rôrô”” : mila lalàna manokana !

Tandindonin-doza i Madagasikara, manoloana ny fihanaky ny zava-mahadomelina mahery vaika “rôrô”. Tokony hasiana lalàna manokana ho famaizana ny fitsindronana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Razanamahasoa Christine. “Ny amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra, na an-drenivohitra na ambanivohitra, ateraky ny firongatry ny zava-mahadomelina: efa mi­tobaka izao ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny […]

Nikasa hamono tena : navantan-drangahy tany amin’ny tamboho ny fiara

Adin’ny mpivady niafara tamin’ny fikasana hamono tena! Navatan-drangahy tany anaty tambohon’olona ny fiara noentiny, ny alahady alina lasa teo. Nentin’ny hatezerana, nirimorimo, ni­hevitra ny ho faty izy. Ki­nanjo, ny tanany no tapaka, simba ny fiara. Rava ihany koa ny fefin-tokontanin’olona nifatraran’ny fiara. Ni­ditra an-tsehatra tamin’ny fanarenana ny simba ny tomponandraikitra […]