Taratra

Fanamboarana pasipaoro : olona 4 voasambotra

Nisy fofon-toaka ireo roa lahy tamin’ireo olona efatra mpanakorontana filaharana hanao pasipaoro voasambotry ny mpitandro filaminana tetsy Anosy, afakomaly. Milahatra vao maraimbe ireo mpangataka pasipaoro . Amin’ny 3 ora sy sasany maraina izy ireo dia misy milaza tonga eny an-toerana. Vokatr’io filaharana io anefa, miady handeha aloha ireo olona sasany […]

Andavamamba sy Analakely : jiolahy roa rotiky ny balan’ny polisy

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy tetsy Andavamamba sy Analakely, afakomaly alina. Jiolahy raindahiny roa mpamerin-keloka maty. Hatairana ny naharenesan’ny mponina eny An­davamamba ny poa-basy nahafatesana jiolahy raindahiny, ny alin’ny alakamisy, tamin’ny 7 ora sy sasany mahery teo. Efa nifanenjehan’ny mpitandro filaminana avy […]

Jean Nirina Rafanomezantsoa : tsy voafehy ny fampiasana “facebook”

«Mila andraisana fepetra manokana ireo minia manalabaraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera «facebook», indrindra izao ankatoky ny fifidianana izao», hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Ni­rina Rafanomezantsoa, nandritra ny tafa nifanavaony tamin’ny mpanao gazety, afa­komaly. Hanaratsiana anaran’ olona sy hilazana zavatra tsy marina anatin’io tambajotra io ka lasa raisin’ ny olona ho […]

Fahavitan’ny “Ramadan”… : niahy ireo sahirana ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya

Noho ny fahavitan’ny “Ramadan”, nanampy ireo fianakaviana sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya… Toy ny fanao isan-taona, mandritra ny volana Ramadan, mi­fady hanina sy mifady fisotroana ihany koa ny fikambanana Miozolimanina Ah­madiyya mba hahatanteraka ny fifalian’Andriamanitra, araka ny efa voalazan’ny Mpaminany Masina Mo­ham­mad. “Rehefa mifady hanina dia noana sy […]

Antsirabe : nodinihina ny fahasalaman’ny reny

Tanterahina ao Antsirabe, nanomboka ny alatsinainy hifarana ny sabotsy izao, ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny manodidina izany, eny anivon’ireo tobim- pahasalamana manerana ny Nosy. Efa nametraka ny fomba fiasa AIM na ny firaisankina ho fametrahana ny fihavaozana eo amin’ny fahasalaman’ny reny. Mifampiankina amin’ny fiantohana ara-pahasalamana manaraka […]