Takasy Hasy, tarika iray avy nitondra avo ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny mozika misy fototra tany Etazonia mantsy izy ireo, farany teo. Efa nisy matetika, saingy tsy mbola ampy ny fampahafantarana sy ny fizarana ny sanganasan’ny tarika eto an-tanindrazana. Fotoana […]
Taratra
Alahamadibe: anisan’ny nankalaza ny teny Mangabe Ambohimanga
Fotoan-dehibe ho an’ny eto Imerina ny fotoanan’ny Alahamadibe. Nankalaza izany avokoa ny vohitra masina misy ireo Raiamandrenibe. Ankoatra ny teny Mangabe, nanao fankalazana ihany koa ny teny Ambohimanga Rova sy ny Zanadranavalona teny Anosimanjaka. Nanatontosa ny fankalazana ny tsinambolan’ ny Alahamady, ny alakamisy 20 avrily 2023, teny Mangabe, ny vondron’olona […]
Fanakorontanana fifidianana : mampitandrina ny minisitry ny Fiarovana
“Antso avo no atao amin’ ireo mety manana eritreritra hanakorontana, fa ho hentitra izahay amin’ny fampanjakana fandriampahalemana sy fitandroana filaminana manoloana an’ireo mandika lalàna na manohintohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, teny Ivato, afakomaly, tamin’ny fandraisana ny helikoptera natolotry ny filoha Rajoelina ho an’ny […]
CSI – Kolikoly : “Tokony hisy trondro vaventy ho voasazy”
“Mba hisy trondro vaventy voasazy amin’ny fanaovana kolikoly sy fanodinkodinam-bola”, hoy ny filohan’ny Komity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Antaninarenina, afakomaly, tamin’ ny tatitra ny asa vita tamin’ny taon-dasa. Malahelo ry zareo raha nandritra ny dimy taona fe-potoam-piasana iray manontolo lanin’ny Antenimierampirenena, nefa tsy misy na […]
Fanakanana hetsika anaty toerana mifefy: nitory eny amin’ny fitsarana ny eo anivon’ny MMM
Nosakanan’ny lehiben’ny distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasaina hatao ao amin’ny toerana voatokana ao Imito, ny zoma lasa teo. Tsy nipetra-potsiny anefa ny eo anivon’ny MMM Amoron’i Mania fa nametraka fitoriana. Hiroso amin’ny dingana lalina kokoa. Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any Fianarantsoa ny MMM Amoron’i […]




