Taratra

Fijery hafa sy lavidavitra kokoa amin’izay…

Ny takaitra navelan’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, ny dona vokatry ny adin’i Ukraine sy i Rosia, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no tsy maintsy hatrehina sy zakain’izao tontolo izao ankehitriny. Ady fiady… Mandra-pahoviana? Tsy misy afa-bela na ireo firenena heverina ho mandroso sy matanjaka aza. Anisan’ny miharihary tsy takona afenina […]

Mandriambero – RN4 : nosokirina tao anaty fiara ny mpamily

Niseholany ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Olona roa namoy ny ainy ka anisany ilay mpamily fiara tra-doza tetsy Mandriambero, kaominina Ambohidratrimo, omaly vao maraina. Maty tsy tra-drano, mpamily fiara iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Man­driambero, anatin’ny RN4, Pk 12 + 300 , omaly vao maraina. Tamin’ny 4 ora sy sasany, […]

Rugby – XXL Top 20 : hano­hitra ny TFA Anatihazo ny XV Fa Ampasika

Hitohy rahampitso alahady 16 avrily, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana hi­songadina, ny fifanandrinan’ny TFA Anatihazo sy ny XV Fa Ampasika. Adin’ny samy kartie ka heverina fa ho toy ny famaranana […]

“Playoff – OPL” : ho fantatra anio sy rahampitso ireo ekipa 8

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faran’ny fifaninanam-pirenena “Oran­ge Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka izany, ho fantatra aorian’ny voka-dalao rehetra ireo ekipa valo hanao ny “Playoff 2023”. Tsiahivina fa mbola ekipa efatra ihany hatramin’izao no efa tafita, anisan’izany ny ekipan’ny Fosa Junior FC Boeny, Cosfa Analamanga, ho an’ny […]

Basikety : raikitra ny “Mibala Tournament”

Andro sisa hisaina dia hi­gadona ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar). Fifaninanana hotanterahina ny 17 hatramin’ny 24 avrily ho avy izao. Hizara roa ny kianja handray ny lalao, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Hisy ny lalao hatao ao amin’ny Espace Ravintsara Mahama­sina. Hisy kosa […]