Taorian’ny dinika notanterahin’ireo minisitra telo misahana ny fandriampahalemana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nitohy tamin’ny fidinana teny an-kianja indray izany ny alakamisy alina teo. Fidinana mifanindry amin’ny toromarika voaray momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Araka izany, nanara-maso ireo fisafoana misandrahaka eran’Antananarivo ireto tomponandraikitra ireto. Nitarika izany fidinana izany […]
Taratra
Taranja Surf : Malagasy roa hiofana any Dakar
Malagasy roa, mpiangaly ny taranja Surf (taranja lalaovina eny amin’ny onjan-dranomasina), hanaraka fiofanana any Dakar, ny 22 hatramin’ny 29 avrily izao. Taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, taranja Surf, hiatrika fiofanana any Dakar indray ny Malagasy. Fiofanana natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona, ka solontena […]
CRMM Antsirabe : maro ny nitondra ny zanany hotsaboina
Nanomboka omaly ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra karakarain’ny Centre de rééducation motrice de Madagascar (CRMM), ao Antsirabe. Nitomandavana ny filaharana hatry ny omaly ka ireo zaza manana olana amin’ny fivelarana ara-tsaina na fitombon’ ny zaza no hita ho maro anisa. Ao ireo zaza tsy afaka mandeha, mihinjitra fihetsika, tsy […]
RLCs andiany faha-21: tanora malagasy 10 mianadahy voafantina
10 mianadahy indray ireo tanora malagasy mpitarika voafantina amin’ny andiany faha-21 amin’ny programa “YALI Regional Leadership Center Southern Africa” (RLCs). Nihaona tao amin’ny masoivoho amerikanina izy ireo, omaly, ary nandray ny torolalana momba ny fiofanana izay hatrehiny. Niofana nandritra ny 3 herinandro amin’ny alalan’ny fampianarana ampitain-davitra izy 10 mianadahy ireo. […]
Voka-pikarohana : hajoro ny andrimason’ny tontolon’ny siansa
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Beatrice, ny alakamisy teo, ny fikambanan’ireo mpampianatra mpikaroka (ACE). Nisongadina tamin’izany ny fananganana vovonana manokana hiandraikitra ny andrimaso ho an’ny tontolon’ny siansa sy ny fampandrosoana. Tanjona ny hahafahana manara-maso ny voka-pikarohana sy ny fanehoan-kevitra ho fampandrosoana haingana an’i Madagasikara. […]




